Politika voabaikon’ny tombotsoa ara-toekarena

Voageja sy takalon’aina tanteraka i Madagasikara


  • Alarobia 12 Febroary 2025

Mifamatotra hatrany ny toe-draharaha ara-politika sy ara-toekarena eto Madagasikara.

Zary lasa mifamatotra amin’ny hery ara-toekerana ny fahefana politika. Azo lazaina ho eo am-pelantanana vondrona ara-toekarena matanjaka aza ny fitondrana Firenena, fa zary lasa sarintsarina fitondrana. Misy hery avy ato anatiny, misy hery avy any ivelany, mety mbola mandindona eo aza mazava ho azy ny dian-tanana ara-jeopolitika. Antony goavana mahatonga anio ny fametrahana mpitondra miainga avy amin’ireo hery ara-toakerana goavana eto amin’ny Firenena, vidiana an-kolaka na mivantana ny fahefana,….

TOHANA MAMATOTRA, MPITONDRA SARIBAKOLY,…
Tany amin’ny fifidianana 2018 ohatra, dia ny sehatra mpanara-maso iraisam-pirenena mihitsy no namoaka, fa nampiasa volabe 192 000 000 tapitrisa ny kandida Andry Rajoelina tamin’izany. Tena volan’ny kandida sy antoko madiodio sa vola avy amin’ireo mpanam-bola sy mpanefoefo mifehy ny tontolo ara-toekerana ? Lojika raha mipoapoaka ny propagandy, fafy kantrana tsy an-kitsitsy ny vola, mety voavidy hatramin’ny rafitra samihafa,… satria tsy maintsy manao izay hahalany. Rehefa azo ny fahefana, sarotra ny fandidiana satria ny tompon’ny vola no tompon’ny teny farany, miankina amin’ny tombotsoa ara-toekaren’ny mpanome vola ny fanapahan-kevitra samihafa. Dia gaga ve ohatra isika raha maheno sy mandre foana rehefa misy fanovana governemanta hoe : ny toerana tahaka izao na minisitera tahaka izao sy izao dia an-dRanona, tsy manaiky ny hikitihana ny minisitra izao sy izao i ranona,… ka na misy tsy fahombiazana aza dia ampandeferina. Ny tombotsoa samihafa toy ny resaka tsenambaro-panjakana mihidy tanteraka sy anjakan’ny kiantranoantrano hanomezana tombondahiny ny mpamatsy vola ara-politika,... « Fanjakana voageja sy tratry ny takalon’ain’ny tombotsoan’ny tsy miankina », hoy ny tatitry ny IPC 2024 na ny tondro momba ny kolikoly omaly. Tsy tena manana ny fiandrianany ilay mpitondra fa voafehy sy voabaikon’ireo hery ara-toekarena namatsy vola, ary matetika aza tena tonga any amin’ny setrasetra ara-toekerana hamelezana ireo heverina fa hery hafa izay nanana fijery mety tsy nifanojo tamin’ny an’ny Fitondrana. Sary iarahana mahita eto ohatra izay tsy midika fa fankahalana vahiny ny Fanjakazakan’ny karana, ny ampihimamban’ny hery ara-toekarena manodidina ny Antokon’ny Fitondrana,…

TOKONY HO HERY HO AN’NY FIRENENA
Zava-dehibe ny fandraisana sy fidirana an-tsehatr’ireo hery ara-toekerana amin’ny raharaham-pirenena, miditra lalina amin’ny politika,… fa kosa tena ho an’ny tombotsoan’ny Firenena, ho an’ny tombotsoa ara-toekerana. Fahita izany any ivelany, toy ny any Etazonia izay ny mpandraharaha manakarena indrindra any Etazonia dia i Elon Musk no lasa tanan-kavanan’ny Filoha Donald Trump, izay nitana anjara toerana lehibe nahalany ny Filoha Amerikanina ankehitriny. Tsy hoe hanao ampihimamba ara-toekerana sy ara-politika anefa no tena antom-pisiany, fa tena mametraka ilay politikan’ny Fitiavan-tanindrazana ara-toekarena na « patriotisme économique », fa ny eto amintsika tena zary lasa ny hifehy ny toekarena sy hanao ampihimamba ary hamotika ireo mety ho mpifaninana ara-toekarena aza no mibahan-toerana indraindray. Fehiny, baikoan’ny tombotsoa ara-toekarena loatra ny politika eto, ka takona sy tsy afaka tena mijery ny tombotsoam-bahoaka sy tombotsoa ambonin’ny Firenena. Fatoran’ny mpanao politika sasany amin’ny fifanarahana mangeja hahazoana fahefana ny fitantanana Firenena, hany ka matetika mpitondra saribakoly no mitantana, ka tsy afaka mikofoka sy tafiditra ao anaty bizina goavan’ny vitsy an’isa. Mila mpanao politika tsy voafatotra sy tsy voagejan’ny famatorana ara-bola sy ara-toekarena i Madagasikara. Mila mpitondra tsy hamatotra ny Firenena amina fivarotan-tanindrazana mivantana na ankolaka,…
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT