Politika, toekarena, sosialy,…

Latsaka an-katerena i Madagasikara


  • Alatsinainy 04 Desambra 2023

Efa nohamafisin’ny HCC tamin’ny alalan’ny didy tsy azo ivalozana ny

fiverenan’ny mpitondra teo aloha eo amin’ny fitondrana na teo aza ny fanoherana sy ny tsy fanekena ny fifidianana noho ny antony maro. Mihamafy ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika, toekarena, sosialy, diplaomasia,… Ny Firenena efa latsaka an-katerena, kanefa mbola manjavozavo ny ho avy. Hahavita fahagagana ve ny fitondrana eo anatrehan’ny endrika krizy maro efa mihatra sy mbola mandindona ? Hanao ahoana ny politika ara-toekarena sy ara-tsosialy sa hosarontsaronana sy hotakotakonana amin’ny vahaolana « pômady » ka hoentina vonjitavanandro fa tsy politikam-pirenena mazava ? Isan’ny nambaran’ilay nomen’ny HCC fandresena raha niresaka voalohany taorian’ny voka-pifidianana ofisialy ny hoe : hitsinjo an’ireo marefo, ireo vehivavy, ary hatao anatin’ny fotoana fohy,… Inona no endrika isehoan’io sa ho politikan’ny kizarazara tahaka ny efa nisy hatramin’izay ? Raha ny antontanisan’ny Banky Iraisam-pirenena Sampana Afrika dia voasokajy ho Firenena mahantra indrindra eto ambon’ny tany i Madagasikara izay ny 80,7% amin’ny Malagasy no miaina ambanin’ny 2,15 dolara isan’olona isan’andro raha toa ka ny 74% teo ho eo tamin’ny 2018. Midika io fa efa ny 80,7%n’ny Malagasy no sahirana sy mila vahaolana maharitra ka moa hahavaha olana ve ny mety fizarana zavatra tahaka ny vola na vatsy tsinjo na tosika fameno amina ampahana olona vitsy ? Manamafy an’io ny laharana navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena fa faha-124 amin’ny firenena 125 i Madagasikara amin’ny tondro momba ny hanoanana. Nambara fa hametraka ny laharampahamehana ka voalohany ny sosialim-bahoaka, fametrahana ny zavatra ilain’ny Malagasy, mila vokarina, mila haodina,… Miankina amin’ny politika mazava sy maty paika izany fa tsy vitan’ny fitanisana fotsiny : mby aiza ohatra ny ozinina fanamboarana etanola, ny orinasa Gascar, ny Pharmalagasy izay nandrisihana ny olona hamboly artemesia satria nolazaina fa lafo noho ny vary,… Tena malalaka sy manana antoka ahafahana mampiasa vola am-pitoniana ve ny mpampiasa vola manoloana ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika, ny fahasarotana ara-panjakana, ny kolikoly manjaka eto amin’ny firenena, ny tsy fandriampahalemana,… Mbola olana hafa tsy mety voavaha ny tontolon’ny angovo izay sady lafo no mbola tapaka lava. Ho an’ny sarambabem-bahoaka, moa tena manana fanantenana ve eo anatrehan’ny zava-misy ankehitriny ? Ny olana eo tsy mivaha, ny hafa mbola mandindona ihany koa toy ny mety hiakaran’ny vidin-tsolika izay vao mainka hampipoaka ny vidim-piainana, ny sandam-bola tsy mety voafehy hany ka efa eo amin’ny 5000Ar ny 1Euro, ny famoronan’asa tsy tena misy na misy fa tsy mahasehaka ny olona mila izany, ny politkam-pamokarana tsy tena voafehy sy tsy laharam-pahamehana,… Tena manana paikady hanarenana ny firenena ve sa ny nandrombaka fahefana hatrany no nahamaika ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT