Politique

Politika sy sosialy Mbola ho voavidin’ny kizarazara ve isika?


  • Alatsinainy 13 Martsa 2023

Na efa nidina ifotony tany Toliara aza ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta niaraka tamin’ny minisitra vitsivitsy ny alarobia 8 martsa,

nizara fanampiana sy sakafo ho an’ny traboina, dia mbola tsy afa-po ny fitondrana, ka ny Filoha mivady mihitsy no niditra an-tsehatra ny faran’ny herinandro teo. Nanetsehana fitaovana goavana toy ny fiaramanidina sy volabe ny ny fizarana zavatra. Tao Toliara I ny sabotsy, ary tany Toliara II omaly alahady. Vary 1 gony, menaka, siramamy, voamaina, lamba firakotra ary kojakoja isan-karazany ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Nandeha ihany koa ny fizarana "kit solaire"isan-tokantrano. Nomena moto ihany koa ireo ben'ny tanàna izay nambara fa hahafahany manatanteraka ireo andraikitra nankinin’ny vahoaka. Eo amin’ny sehatry ny fahasalamana kosa dia efa tonga ao an-toerana ihany koa ireo "ambulances" ahitana fitaovana hary fomba natolotra ihany koa ho an’ny distrikan'i Toliara I, Toliara II, Beroroha, Ampanihy ary Morombe. Amin’ny lafiny fanadiovana dia nahazo fiara vaventy mpitatitra fako miaraka amin’ny "bennes" ny tanànan’i Toliara. Nanamafy ny fakana ny fon’I Toliara I Andry Rajoelina, ary ny sabotsy teo aza dia nilaza fa tsy miova ny fifandraisany amin’ny vahoakan’I Toliara satria nanao zavatra betsaka tao, izy raha ny nambarany. Hitombona ve izany raha kandida I Siteny Randrianasoloniaiko? Tena mbola resy lahatra amin’ny volomboasary ve I Toliara? Mandeha ny fizarazarana zavatra sy fakana ny fon’ny olona izay toa efa manana endrika propagandy. Mikasika ireo zavatra zaraina, misy no toa avy amin’ny mpiara-miombon’antoka, fa misy ny tsy mazava. Ireny moto sy jiro anaty baoritra volomboasary, volam-panjakana ve no nividianana an’ireny sa volan’ny Filoha madiodio? Mbola ho voavidin’ny kizarazara ve I Toliara sy ny Malagasy na ekena fa sahirana sy mahantra aza?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT