miaraka amin’ny Rosianina…
Nampahafantarina ofisialy omaly 05 martsa 2026 tetsy amin’ny Hotely Paon d’Or Ivato ny fitsanganan’ny Antoko RPMU (Réveil Patriotique Madagascar Uni) na antoko Fifohazan'ny tia Tanindrazana miray eto Madagasikara tarihin-dRakotonirina Richard. Nilaza hametraka politikam-pamokarana mifantoka amin'ny harena isam-paritra ; fanabeazana miorina amin'ny isam-paritany sy ny harena stratejika ; hametraka ny politikan’ny famoronan-karena miorina amin’ny ato anatiny ; hanome lanja ny fampianarana,… Nanambara fa handrodana ny rafitra tsy mitondra voka-tsoa,… Ho an’ny politika ivelany, mampanantena hanova tanteraka ny fomba fijery sy fiasan'ny diplaomasia Malagasy : Malagasy no laharam-pahamehana, tsy ho saribakoly, fitsipika samy mahazo tombotsoa,…. Mitodika amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Tatsinanana, ary nalahatra tamin’ny sainam-pirenena Malagasy mihitsy aza moa ny saina Rosianina omaly. Efa Filoha sy nitana andraikitra tao amin’ny Les Amies de la Russie rahateo Atoa Rakotonirina Richard Filoha mpanorina, ary isan’ny tazana teny Ivato ny mpanao gazety Rosianina. « Efa miova tanteraka ny zava-misy ara-jeopolitika eran-tany, dia efa mipoitra ny « bipolarités », « multipolarités », ka ny Firenena rehetra dia maro no nihazakazaka any amin’ny Vondrona BRICS (Brésil, Russie, Inde, Chine, South Africa) », hoy io Filohan’ny RPMU io. Nanipika fa tsy vitan’ny hoe fiaraha-miasa tamin’ny Rosianina manokana, fa ny fahitanay ny hoavy politika amin’izao, indrindra ho an’ny Firenena Afrikanina mbola mahantra toa an’i Madagasikara, dia any Atsinanana. « Lalana mazava sy hita soritra ny fiarahana makany Atsinanana, raha maizin-kitroka lava tsy nisy fivoarana ny tany Andrefana, ka tapa-pevitra izahay, fa làlana tsara hitodihana ny makany », hoy hatrany izy. Mikasika ny hoe fiandrianam-pirenena kanefa hobaikoan’ny Rosianina, dia tsy Rosia irery fa ny BRICS no iarahana miasa fa tsy midika ho baikoan’ny Rosianina. Nolazainy fa mazava ny fiaraha-miasa amin’ireo Firenena ireo hoe samy mahazo tombiny na « gagnant-gagnant », fiaraha-miasa ara-dalàna, tsy misy hoe mangalatra sy maka tombony be, toy ny niainana tamin’ireo firenena tandrefana izay niarahantsika dia ny Frantsay, izay raha lazaina mazava dia nanao ampihimba ny Firenena izay tsy nahatafavoaka antsika, hoy hatrany ity farany. Milaza anefa izy fa tsy hoe miala amin’ny Frantsay, ny tantara nisy dia lava be, misy rohim-pihavanana, misy Malagasy monina any. Ny apetraka mahitsy dia fiaraha-miasa tsy mitanila fa ahaoan’ny andaniny sy ny ankilany tombotsoa. Tena ny fiarahana amin’ny Tandrefana na ny Tatsinanana ve hahatafavoaka na tsia antsika sa ny fahaizantsika mametraka diplaomasia sy politika ara-toekarena mahomby ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.