Politika sy jeopolitika

Mihazakazaka ny pimasontsika amin’ny Rosianina…


  • Zoma 14 Febroary 2025

Notanterahina omaly alakamisy 13 febroary 2025 teny amin’ny Antenimierampirenena ny fihaonana

ampitain-davitra faharoa eo amin'ny parlemantera Rosiana sy Malagasy, raha ny fampahafantarana nataon’io Andrim-panjakana io. Nitarika ny fotoana sy nandray fitenenana ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko amin'ny maha Filohan'ny Vondrom-pinamanana Madagascar-Russie azy. Araka izany dia nitondra ny fisaorana izy noho ny ezaka rehetra hampiroboroboana hatrany ny fifandraisana eo amin'ny parlementera Malagasy sy Rosianam hoy hatrany ny tatitra. Fifanakalozana fahaiza-manao sy fizarana traikefa eo amin'ny Antenimiera roa tonta ; ny fanomanana ny fitsidihana ho ataon'ny parlemantera Malagasy any Rosia sy ny fivahinianan'ireo parlemantera Rosiana eto Madagasikara ; famaritana ireo tetik'asa hiarahana ; ary ny fametrahana ny Comité Mixte de Rédaction handrafitra ny rijan-teny mirakitra ny fifanaraham-piara-miasa na ny Protocole d'accord de coopération eo amin'ny Parlemanta roa tonta no nambara fa lahadinika. Misy dikany goavana amin’ny tontolo jeopolitika ny tahaka izao, ary tsapa ho manamafy ny fifandraisana amin’ny Rosianina isika. Vao tsy ela ihany koa ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny no nanao fanambarana niraisana niaraka tamin’i Rosia mikasika ny tsy fampiasana fitaovam-piadiana eny an’habakabaka, vao andro vitsy ihany koa no nisiana antso nataon’ilay mpampianatra nosamborina tany Diego izay nilaza fa mizaka zom-pirenena Rosianina,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT