Politika sy fitantanana an’Antananarivo

Mampanahy ny hoavin’i Harilala Ramanantsoa…


  • Talata 18 Martsa 2025

Hanao inona marina moa izay mandritra ny 5 taona ny ben’ny tanànan’Antananarivo ?

Ny fahefana azo ihany fa ny sedra miandry mety hangotraka ! Hatreto tsy misy ilay hoe vola tosika manokana nampanantenain’ny Filoham-pirenena. Ny am-pelatanana anefa tsy ampy, azo lazaina ho bitika izany tetibola 79 miliara Ar ao anatin’ny herintaona izany ho ana Renivohi-pirenena. Ny 25% amin’io anefa mety lany karaman’ireo mpiasa manodidina ny 4600. Manginy fotsiny ny mbola famatorana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amina fifanarahana samihafa, toy ny resaka SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) izay asa izay niafarany na hiafarany teo anatrehan’ny fitakiana hamerenana izany ho an’ny Kaominina madiodio ? Ny resaka fampidiram-bolan’ny Kaominina anefa hatreto, zary lasa tari-drano an-kilaila ka ny very sy manjavona eny an-dalana no betsaka. Hijoro hiady ho an’Antananarivo manoloana ny mety bizina sy tombotsoan’olom-bitsy toy ny nataon’ny PDS Ramanambitana Richard izay sahy nijoro nitaky ny hamerenana ny fitakiam-bola nataon’ny SMGD hiverina madiodio amin’ny CUA ve Rtoa Harilala Ramanantsoa sa hifitsaka ? Ho sahy hiady hatrany amin'ny Fitsarana ? Hikitika ireo tombotsoa sy bizin'olom-bitsy ho an'ny tombotsoan'ny CUA? Mbola mety ho olana hafa ihany koa ny famadihan’ny Fanjakana Foibe tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na LFI 2025 mamadika ny fitakiana hetran-trano sy hetran-tany izay nesorina tamin’ny kaominina ary hiantsorohan’ny Fanjakana Foibe. Marina fa misy ny fiaraha-miasa sy fiaraha-miombon’antoka samihafa, saingy mbola any an-kibon’ny omby ! Henjakenjana ny sedra miandry an-dRtoa Harilala Ramanantsoa na ara-politika na ara-pitantanana. Manomboka tonga sy miseho ny olana samihafa, toy ny olan’ny fako izay miha maro ny fivangongoana eto Antananarivo, miha mafana ny fifandirana amin’ny mpivarotra amoron-dàlana, manomboka midingin-drambo ny sokajina mpitatitra sasany toy ny taxi izay milaza fa tsy manaiky ny fitakiana volabe toy ny « fourrière » 200 000Ar isan’andro, ny politika mety ny ao anatiny ihany no hamely noho ny resaka tombotsoa avo lenta,…
ENCADRE
Tsara ny mampahatsiahy, fa ben’ny tanàna lany tamin’ny antokon’ny Fitondrana Atoa Naina Andriantsitohaina no nitantana an’Antananarivo nialohan’izao saingy tsy nahatafavoaka baolina ka asa hanao ahoana i Harilala Ramanantsoa eo anatrehan’ny olana sy sedra samihafa? Mbola hanala baraka tena ve ny Fitondrana ka hamela an’Antananarivo ho kamboty ao anaty korontana sy loto ety ambany ary teleferika eny ambony ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT