Politika sy fifidianana

Tsy i Tahina no advesera fa ny hosoka sy fampahatrana !


  • Zoma 13 Desambra 2024

Mitohy hatrany ny fanenjehana sy fanasoketana samihafa an’i Tahina Razafinjoelina ho mpamadika sy nanimba vato

na efa vita aza ny fifidianana ben’ny tanàna, izay andrasana ny valiny ofisialy. Miverina indray ny fivoizana ankehitriny fa tokony ho niaraka ny samy mpanohitra, mpanohitra ny mpanohitra ny Tia Tanindrazana, tokony ho lany malalaka ny kandida ranona raha nifanampy, voakarama i Tahina hanaparitaka vato,… Aleo angamba tsiahivina fa i Tahina Razafinjoelina anie ka efa kandida Filoham-pirenena tamin’ny 2023 na ekena aza fa tsy niroso tamin’ny fampielezan-kevitra niaraka tamin’ny kandida maro e ! Ary tany no efa nisara-dalana TIM sy Tia Tanindrazana izay antoko samy manana vina. Ka mpamadika amin’ny inona hatrany marina moa ny Tia Tanindrazana na i Tahina Razafinjoelina izay vao nirotsaka dia nolazaina fa devoly, jodasy, voakaraman-dRavatomanga,... Nahoana no tsy tany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena no efa natao an’izany? Andaniny, ny Antoko TIM milaza ombieny ombieny fa manana fitotra na « base » ary ampian-tafika tsy ampian-tafika ka inona moa izany no tokony mbola hifanenjehana sy hifanaovana esoeson-teny samihafa ? Nandeha mihitsy aza ny fivoizana tetsy sy teroa fa tsy hahazo vato fa hitsipona « 0,… » i Tahina Razafinjoelina ka mpizarazara vato amin’ny inona moa ? Na tiana aloha na tsy tiana, dia porofo io voka-pifidianana io fa manana olona izany i Tahina Razafinjoelina sy ny Tia Tanindrazana, betsaka ny resy lahatra tamin’ny vina sy fomba fijery ara-politika vaovao nentiny, betsaka no te hiova, maro no resy lahatra fa ny fanabeazana no vahaolan’ny Firenena, maro no resy lahatra tamin’ny fanehoany fa azo atao tsara ny miasa tena miasa fa tsy manao rendrarendra,… ka misy ny ampahana Malagasy nifoha na ekena aza fa tsy ampy ho nahalany azy ho ben’ny tanàna. Nahavita dingana lehibe ara-politika ary mipetraka ho hery fahatelo aorian’ireo hery 3 lazaina fa manana fototra sy nifanjinja teto tao anatin’ny 15 taona. Ka sao sanatria diso mpifanandrina ara-politika hatrany isika ka raisina ho Tahina Razafinjoelina sy ny Tia Tanindrazana no ho olana fa tsy ny hala-bato, ny fampahantrana firenena, ny tsy fahombiazam-pitantanana samihafa?
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT