Politika sy fiainam-pirenena

Feno 51 taona katroka ny MFM


  • Alarobia 27 Desambra 2023

27 desambra 1972 - 27 desambra 2023. Feno 51 taona anio ny Mpitolona

ho an’ny fandrosoana eto Madagasikara na ny antoko politika MFM, fantatra hatramin’izao eo amin’ny tontolo politika ihany koa amin’ny hoe “Mafana”. Hisy ny fanamarihana tsotsotra mikasika izany, raha ny fampitam-baovaon’ny antoko amin’ity anio ity. Hisy koa, mazava ho azy, ny fanehoan-kevitr’izy ireo momba ny fahitany ny fizotry ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Araka izay anarany tany am-piandohana izay moa dia nifototra tamin’ny atao hoe tolona ny antoko ka inoana indrindra ihany koa fa manana ny ho ambarany izy ireo mikasika ny fahitany ny fisehon’izay atao hoe tolona izay tato ho ato. Nanomboka ny taona 1972 ka hatramin’izao dia nandray anjara tamin’ireo tolona nisy teto amin’ny firenena foana ny Mpitolona ho an’ny fandrosoana eto Madagasikara, raha ny fanamarihana natao.
J. Mirija
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT