Politika sy fiainam-pirenena

Fanovana ngezabe ny fahasahiana miteny ny marina


  • Alakamisy 28 Novambra 2024

Averiko foana ! Tsy miresaka momba ny fiainana manokana ny aty. Ary ny ampamoaka noresahana dia politika

tanteraka momba ny "accord" nisy tamin’ny 2013 sy 2018 ka izay no nampisara-dalana. Mbola niampy ny fandefasana nifidy ireo mpomba azy tamin'ny 2023 na dia nifanaraka tsara izao aza fa tsy hifidy. Ankoatra izay Mijoro ho Vavolombelona aho eto fa tsy misy kandida mitsindrona rôrô izany. Izay MARINA dia MARINA. », hoy i Tahina Razafinjoelina omaly. « Ny demokrasiantsika dia lasa afenina sy atao izay tsy hahalalan’ny vahoaka ny zava-misy hahafahana manjaka tokana eo amin’ny fitondrana. Nahasahy nijoro tamin’ny fahamarinana i Tahina Razafinjoelina rehefa niharan’ny fanafenana ny marina hatramin’ny 2013, 2018, 2023 », hoy kosa ny fanehoan-kevitr’i Dama Mahaleo. Tsy mila ady izy, ary raha ny toetra ahafantarako azy dia tsy mpihantsy ady, tsy mahay vava fa tena mihaino sy mandefitra izy. Rehefa nandeha ny fanaovana asa mivantana niaraka ny olona teny amin’ny Faritra iva dia nandeha ny sakantsakana tamin’ny fanadiovana lakan-drano, fametrahana jiro,… dia nandeha ny sakantsakana. Tena naneho ny hoe : aleo ny antsika no atao fa tsy mamaly ny fihantsiana. Teny an-dalana anefa, dia tafahoatra loatra ny fihantsiana, misy mahasahy ary tsy kaonty fako fa tambajotra ofisialy milaza fa jodasy, mpamadika, voakarama,… Betsaka isika no niharan’ny fanafenana ny marina fa i Tahina nahasahy nijoro nilaza ny marina, tsy fanakianana, tsy famingavingana velively fa filazana ny marina sy ny tantara, hoy hatrany i Dama. Notsipihiny, fa anisan’ireo olona tsy nomena fankasitrahana tamin’ny asa soa sy ny zavatra vitany teo anivon’ny TIM Madagasikara, tsy nisy ary tsy nitaky an’izany, fa hoe : tolona ity dia atao, kanefa ny valiny dia fanasoketana sy filazana fa mivadika. Izaho anefa, dia miteny hoe : misaotra an’i Tahina fa fanovana ngezabe ny fahasahiana miteny ny marina. Mila tohanantsika i Tahina, tohanantsika ry zareo satria tena tompon’ny fanovana tsy mitanila, hoy hatrany i Dama.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT