Politika roritina amin’ny foko sy fihaviana

Efa nilaozan’ny toetr’andro, mampisara-bazana !


  • Talata 10 Desambra 2024

Nanamarika ny fampielezan-kevitra nandritra ny 20 andro ny firesahana foko sy fihaviana.

Isan’ny nanamarika izany ny kabarin’ny depiote iray izay nilaza fa ny kandida tohanany tena zanak’Antananarivo fa misy kandida hafa misandoka ho zanak’Antananarivo. Dia taty amin’ny telo andro mialoha ny latsabato ka ilay kandida izy tenany mihitsy no nilaza hoe: tanora avy eto Iarivo, Merina avy eto Antananarivo, no tokony hitondra an'Antananarivo. Tsy manana olana amin’ilay kandida isika fa kosa mametra-panontaniana hoe : aty amin’ny taona 2024 ve dia mbola misy fivoizana resaka foko sy fihaviana amin’ny lafiny politika? Angaha tsy iray ihany ny Malagasy ? Mety ho reharehan’ny tsirairay ny miteny sy miresaka hoe : avy atsy na aroa, mirehareha amin’ny maha izao na izao,… fa ny filalaovana an’izany amin’ny tombotsoa politika kosa dia miendrika sy maneho firefarefana tanteraka. Rehefa lany amin’ny toerana iray ny olom-boafidy dia solontenan’ny vahoaka rehetra monina ao amin’ny toerana iadidiany fa tsy solontenana foko iray. «… Rarana ny fikambanana sy ny antoko politika izay manohintohina ny maha iray tsy mivaky ny Firenena sy ny foto-kevitra Repoblikanina sy izay manavakavaka ny fihaviana ara-pirazanana, na ara-poko, ara-pinoana…», hoy ny ampahan’ny voarakitry ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-14. Misy lalàna ve miresaka sy mandrara fa tsy tokony ho kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo ny olona tsy teraka teto ? Betsaka ny toerana azo sokajiana ho « cosmopolites » na ahitana ireo mpiavy sy mpila ravinahitra avy amin’ny lafivalon’i Nosy ka tsy azo antsoina ho mponin’Antananarivo ? Dia mbola tsiahivina foana, fa raha handray ohatra any ivelany isika, ny ben’ny tanànan’i Londres sadiq khan izay efa miditra taom-piasana faharoa dia manana fihaviana karana. Ny Filohan’i Etazonia teo aloha Barack Obama anie ka manana fihaviana Kenianina. Raha miverina eto Antananarivo, efa depiote nofidiam-bahoaka teto anie izany Monja Jaona izany! Efa depiote voafidim-bahoaka teto ani’ izany Dama Mahaleo izany! Dia amin’izao vaninandro izao ve isika no mbola hampirefarefa amin’ny politika miendrika fifanavakavahana hivoizana resa-poko sy fihaviana mba hitadiavan-tseza ? Iray ihany ny Malagasy ary an’ny Malagasy rehetra Antananarivo izay renivohitry ny Firenena !
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT