Politique

Politika Notsikerain’ny Natiora mafy ireo « Hery afovoany sadasada »


  • Alakamisy 15 Jona 2023

Ny antoko politika Natiora dia mivoy ny politika mahaolona ary manana fomba fijery afovoany, hoy ny filohany Mihari-Ni-Rencho.

Napetrakay teo anivon’ny minisiteran’ny atitany izay, hoy izy. Tsy «centriste évènementiel» na hoe hery afovoany izahay rehefa misy zava-miseho ka metimety kokoa hitononana hoe «hery afovoany izahay.». Ny ankamaroan’ny mpanao politika eto Madagasikara tsy mahafantatra ny atao hoe «neutre» sy «hery afovoany». Diso tanteraka ny fiheverana an’izany hoe «tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa». Ny fomba fanao politika amin’izao dia ohatran’ny efa hita tamin’ny 1972 sy ny tao aoriana ihany. Efa natao izany vaky barazy izany. Izany fanakatsakanana sy tonton’ondry bory sy tena hoe adina jiolamboto izany efa hita teto. Tsy tena politika no natao teto fa fitadiavana tombontsoa manokana. Ny amiraly Didier Ratsiraka no nanomboka ny famotehana ny toe-tsain’ny malagasy tamin’izany. Lasa ifandimbiasana ilay izy dia manao ny ataony izao ny fitondrana. Tsy hita hoe varatra nipoaka dia delestazy. Mimenomenona fotsiny ny vahoaka hoe miakatra ny vidim-piainana. Tsy manjary ny fandriampahalemana. Ny hery afovoany dia manana tanjona hametraka fiainana anaty filaminana. Mila vahoaka misitraka feno ny zony, izany hoe, manana trano hipetrahana, afaka mampiana-janaka, afaka misakafo in-3 isan’andro, afaka misitraka fitsaboana, manatontosa araka ny tokony ho izy ny zony na dia anaty biraom-panjakana aza. Tsy feno ny fepetra fa tena lalaovin’ny any ivelany ny firenena malagasy aminay Natiora. Antoko politika maherin’ny 200 isa no eto dia 10 ihany no antsoin’ny FES dia ireo indray no terena hanao sonia amin’ny anaranay. Efa tamin’ny 2019 izahay no niomana handray anjara amin’izay fifidianana hoavy eo. Hita anefa ny tsy fahavononan’ny fitondrana. Izay no anton’ny fitadiavana fikaonandoham-pirenena hijerena hoe inona no mety amintsika malagasy? Tonga izao ny OIF dia iza indray no antsoina? Ho avy koa ny SADC. Rehefa voakitikitika ny mahaolona dia miteny izahay. Izay no antony mahatonga anay miaraka amin’ny mpanohitra. Ny maha samihafa anay amin’ny hery ankavia izany dia ry zareo ilay hoe sosialista ary ny ankavanana mirona kokoa amin’ny lafiny toekarena, hoy hatrany ny antoko Natiora nitsikera mafy ireo milaza azy ho hery afovoany heveriny fa sadasada.
J. Mirija
Légende : Ny filohan’ny antoko Natiora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT