Politique

Politika Nodimandry ny depiote Jao Jean


  • Zoma 23 Jona 2023

Lavo ny andrarezina! Nodimandry omaly 22 jona ny Depiote Jao Jean dit Rémi, solombavambahoaka voafidy tany

Antsohihy Faritra Sofia. Nitsabo tena tao amin’ny Nosy Maurice izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Ara-politika, izy no depiote naharitra indrindra tao Tsimbazaza, izay tao anatin’ny taom-piasana 5 tsy an-kianto nanomboka ny taona 1998 no depiote, ka ny taona 2014 dia Filoha lefitra tao amin’ny Antenimierampirenena. Izy no tompon-kevitra voalohany tamin’ny volavolan-dalàna mikasika ny toaka gasy, niady mafy tamin’ny tokony hanaovana lalàna mikasika ny fisotroan-dronon’ny parlemantera, niaingan’ny CLD (Comité Local de Développement) niova ho CIAD (Crédit d'investissement de l'appui au développement) izay vola tantanan’ny Depiote hanaovana fampandrosoana, niady mafy ny haha zo ny fisitrahan’ny depiote fiara tsy mataho-dàlana,… Isan’ny raharaha iray nahakasika azy kosa ny naha voarohirohy azy ho nanao herisetra ara-nofo tamina tovovavy vao 16 taona tamin’ny 2011. “Zagnahary no tompon’ny aina ka manaiky ny fandaharany mandrakariva! Raiamandreniko nikolokolo ahy. Ary nanoro lalana ahy ary mananatra fona isan-andro fa manaiky aho na dia mafy aza. Matoky fa tsy very lalana aho amin’ireny anatra sy lalana natoronao ahy ireny”, hoy ny mpanakanto Vaney’s Herinomenjanahary vadin’ny depiote Jao Jean. Mirary fionona feno ho an’ny fianankaviany manontolo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT