Politique

Politika Niseho vatana ireo parlemantera nisintaka tamin’i Yves Aimé


  • Alakamisy 29 Septambra 2011

Taorian’ny fanambarana an-tsoratra in-droa miantoana nataony dia niseho vatana ary niatrika ny mpanao gazety tetsy Ampasamadinika, omaly, ireo parlemantera Tiako I Madagasikara, miisa 11, sy mpitarika politika nisintaka tamin’ny elatra Rakotoarison Yves Aimé.

 Nitondra teny azy ireo ny depioten’Ikalamavony teo aloha, Rtoa Raharimampionona. Ity farany izay nanamafy fa tsy mbola nijoro akory ny GMMR (Groupement issu de la Mouvance Marc Ravalomanana) tarihin’i Yves Aimé dia efa nisintaka taminy izy ireo, noho izy nivaona tamin’ny foto-kevitra nijoroana ary koa ny hevitra tsy mitovy amin’ny famahana ny krizy. Nanamafy ireto parlemantera nisintaka ireto, fa anisan’ny foto-kevitra ijoroan’izy ireo ny hisian’ny tetezamita iaraha-mitantana, rafitra iaraha-manangana ary eken’ny rehetra nefa tsy mitanila. Mitaky ny hisian’ny fitoniana politika koa izy ireo, ka tafiditra amin’izany ny hamoahana ireo gadra politika rehetra sy ny fahalalahana maneho hevitra, indrindra ny fahafahan’ny sesitany politika rehetra mody malalaka an-tanindrazana ka ho afaka handray anjara amin’ny raharaha politika eto Madagasikara sy amin’ny fifidianana ho avy, izay fifidianana demokratika, mangarahara, malalaka ary eken’ny rehetra. Araka izany dia miandry ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana izy ireo sy ny handraisany anjara feno indray amin’ny politika hampandrosoana an’i Madagasikara, araka ny efa andrandrain’ny Malagasy maro. Mahakasika ny sori-dalana dia mankasitraka ny nahavitana sonia azy iny izy ireo, ary manantena ny hanarahana sy hampiharana antsakany sy andavany azy, eo ambany fiahian’ny SADC.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT