Politika

Nisara-dàlana i Penjy sy ny TIM


  • Alarobia 11 Septambra 2024

Tapaka ny tady eo amin’ny Antoko TIM sy ny ben’ny tanànan’Ivato Penjy Randrianarisoa,

izay lany tamin’ny anaran’io antoko io nandritra ny taom-piasana miisa roa nifanesy tao anatin’ny 8 taona. Nanambara ity farany omaly 10 septambra 2024, fa mandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna hatao ny 11 desambra izao, ka nilazany fa tsy izy no niala tsy ho TIM fa ny TIM no nanary azy, saingy nisaorany ny fiarahana tao anatin’izay fotoana izay. « Tsy dia nety tamin’ny fomba fijerin’ny Antoko nisy ahy teo aloha ny fomba fitantananako izay nisokatra tamin’ny herivelona maro, toy ny Fanjakana. Anisan’izany ny fananganana fotodrafitrasa, izany no antony nanakanan’ny solombavambahoaka iray ato amin’ny distrika ahy tsy ho kandida amin’ny anaran’ny antoko. Tsy maninona fa ny asa vita no ifampitsarana, tsy manana olana amin’io antoko io aho, fa amin’ity dia mandeha amin’ny anarako manokana. », hoy i Penjy Randrianarisoa. Nametra-panontaniana moa ny tenany hoe : raha lasan’io Atntoko io ve Antananarivo dia hanidy varavarana amin’ny herivelona maro ? hoy i Penjy Randrianarisoa. Isan’ny nahazoan’ity ben’ny tanàna ity kiana tamin’ny TIM moa ny nanatrehany ny fihaonan’ny Antokon’ny Fitondrana natao teny Ivato ny septambra 2023. Izay tokoa ilay politika hoe : tsy misy ny mpinamana na mpifahavalo mandrakizay fa arakaraka ny tsio-drivotra misy ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT