Namoaka fanambarana ofisialy manambara ny fitsaharany
tsy ho mpikambana intsony ao anatin’ny Vondrona Firaisankina ny Antoko TIM tarihin’i Marc Ravalomanana. « Taorian’ny fahatanterahan’ny fifidianana depiote farany izay antony nananganana ny vovonana Firaisankina, dia manambara ny TIM ankehitriny fa mitsahatra amin’ny maha mpikambana azy ao anatin’ny vovonana », hoy io antoko io. Tsy miteny amin’ny anaran’ny antoko, fa nanazava amin’ny maha mpikambana ny depiote Fidèle Razarapiera omaly, ka nilaza fa ny vovonana dia natsangana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Rehefa miatrika fifidianana depiote dia miteny mialoha fa ho « opposition parlemanentaire ». Rehefa lany dia mpanohitra, ka ny mpaha mpanohitra ao amin’ny Antenimierampirenena dia manao fanambarana mialoha, misy sata, misy fitsipika anatiny,… Izay no nahazoana ilay filoha lefitra faha-7. Io indray no lasa Filohan’ny Antenimierampirenena ka io indray ve izany no hotoherinay ? Lasa mpanohana izahay, ka tsy maintsy ampifanarahana amin’izay ny antoko TIM. Ny anton’ny Firaisankina dia nanoherana ny Fanjakana Rajoelina. Raha mijanona ho vovonana Firaisankina dia mbola mpanohitra ka tsy maintsy miova sata, ka tokony hanao toa anay ireo antoko hafa ao anatin’ny Firaisankina raha ny lojikany, hoy i Fidèle Razarapiera. Andaniny, raha nanova ny momba azy ny RMDM na Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara dia niova fotsiny hoe : « mpanohana » ilay hoe : « mpanohitra », fa ity sary iray nambaran’ny TIM ity, ka karazana faharavana mihitsy ho an’ny Vovonana « Firaisankina » izay nahitana ny TIM, HVM, Pro SitenyTsara Tahafina, Antoko Politika Madio,… ka asa izay ho fihetsik’ireo antoko na Fikambanana 4 hafa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.