Politika mirefarefa

Mila faranana sy ialàna amin’izay !


  • Alarobia 30 Oktobra 2024

Fandotoana olona no atao fototra izany amin’izao fotoana izao mikasika an’i Madagasikara sy ny politika

mirefarefany. Tsy lavitra no ahitana izany fa amin’ny fifanasàna vangin’ireo mpanara-dia kandida ho ben’ny tanàna any anaty tambazotran-tserasera isan-karazany any, indrindra moa fa ny mikasika an’ity hazakazaka ho amin’izany eto Antananarivo renivohitra ity. Iaraha-mahita ankehitriny fa marolafy ireo kandida miisa 7 eto amin’izay renivohitry ny firenena izay. Ao ny manana faritra hafa nihaviana ivelan’Antananarivo. Ao ireo tena hoe teraka sy lehibe teto ary manana tanindrazana eto mihitsy, raha ny fihirahiran’izy ireo ao anatin’izao mialohan’ny fampielezankevitra izao moa izany. Ao ireo efa an-taonany maro no voavolavola ny vinam-piarahamonina heveriny ahafahana manarina an’ity Antananarivo ity. Izany hoe mazava tsara ny fotokevitra sy vinany momba an’Antananarivo na i Madagasikara iraimanontolo mihitsy aza raha misy ilàna izany. Ao ihany koa ireo ambara matetika hoe «mandimby ny anaran-dray» ary misy koa anefa ireo kandida izay tonga amin’ilay fomba fiteny fahiny hoe «tsy mahari-boan-kena» fa nalàza tamin’ny fahitalavitra fahiny dia nirotsaka depiote sy nampanantena ny tsy hanary ny boriboritany na distrika nekeny ho sahanina ary efa nisy fotoana mihitsy aza nilazàny fa tsy maha maika azy izany hilatsaka ben’ny tanàna izany kinanjo moa ankehitriny dia tsy voatanany sahady izay teny sy fampanantenana nomeny izay. Heverina hoe fampahafantarana amin’ny ankapobeny ny tontolon’ilay fifidianana ben’ny tanàna ihany izay, izay tsy dia nifanalavitra ihany tamin’ny hita nandritry ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka saingy ny tena mampalahelo sy mahakivy mijery ny hoavin’ilay Madagasikara hatramin’izao dia ny fisian’ilay efa nambara hatrany aloha teo politika mirefarefa eto amin’ilay firenena nefa ilay firenena tsy vitan’ny hoe mahantra fotsiny fa efa tena fadiranovana indrindra eto ambonin’ny tany mihitsy, raha ny tombana navoakan’ny tahirim-bola iraisampirenena sy banky iraisampirenena momba azy.
TSY VINA NO AMPIADIANA FA FIFANASANA VANGY
Mbola tsy ny vina ihany no hampiratian’ny sasany eny amin’ireo fantson-tserasera samihafa, na tambazotran-tserasera io na haino aman-jery na eny amin’ny lalana rehetra eny fa dia mbola ny fanaratsiana ny kandidà mpifaninana sasany tahaka ny hoe «saribakoly io!» na hoe «Ranona ihany no ao ambadik’io!». Rehefa olona iray manana fomba fijery mandeha any amin’ny ankavia ve izany dia tokony ho fady azy ny mifanerasera na miresaka, eny, minamana mihitsy amin’ny olona manana fomba fijery mandeha any amin’ny ankavanana? Tsy ny hitaona ny olona mandeha any amin’ny lalana hamotika ny firenena na politika hamotika ny firenena ho any amin’ny politika mety mba hitondra amin’izay ity firenena ity any amin’ny tena fampandrosoana marina ve izao no tokony ho atao? Hisafidy hanohy ny politika nampahantra ny firenena hatramin’ny 1975 no ho nankaty ve izany isika io sa hisafidy ny hamadika pejy vaovao ho fampandrosoana marina an’ity firenena ity amin’izay amin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ny Malagasy, tsy hifampisintona midina fa miroso any amin’ny politika miabo, ka ny soa sy ny tsara no hifaninanana,…
J. Mirija
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT