Politika mirefarefa amin’ny tany

Ohatrana tranga anaty fanaovan-gazety no anasana atidoha!


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2023

Ampamoaka goavana nampivarahontsana ny mpanara-baovao, andro maromaro lasa izay, ny filazan’ny filohan’ny

antenimieran-doholona teo aloha, Herimanana Razafimahefa, fa niharana fandrahonana izy ka antony nandavany ny toerana maha filoham-pirenena mpisolo toerana azy mandram-pahazo filoham-pirenena malagasy vaovao. Ny fahitalavitra iraisampirenena, France 24, sy ny onjapeo RFI, moa no nofidian’ity filohana andrim-panjakana teo aloha ity namoahana ny vaovao teo amin’ny mpiotifeon’ny mpanao gazety, Gaëlle Borgia. Taty aoriana dia nisy atrikasa na “journée d’étude” natrehin’ity mpanao gazety ity ary nizarany traikefa nanomezana ohatra ka nilazany fa “raha ohatra moa ka tsy marina ny filazan’ny filohan’ny antenimieran-doholona malagasy fa norahonana izy…”. Notohizan’ity mpanao gazety ity avy eo ny fanazavany ka nilazany hoe “mba azonareo an-tsaina ve fa diso daholo no nambaran’ny filohan’ny antenimieran-doholona…”. Ny dikan’izany, hoy ity mpanao gazety ity, dia mila miheritreritra foana ny mpanao gazety rehefa manao fanadihadiana hoe mety ho diso daholo ny ambaran’ny olona iray hanaovany fanadihadiana fa mety ny mifanohitra amin’izay no marina. Izay izany raha raisina amin’ny ankapobeny ny fizarana traikefa nataon’ity mpanao gazety ity tamin’io fotoana io kanefa dia niteraka resabe ny faran’ny herinandro teo izany ary nampiasain’ireo mpanohana ny fitondrana sasany sy mpanohana ny kandidam-panjakana ho karazana ampamoaka na “aveux” nataon’ity mpanao gazety frantsay ity. Ohatrana tranga anaty fanaovan-gazety nozaraina mpisehatra iray tanatina atrikasa, araka izany, no nampiasain’ny mpisehatra politika sasany eto Madagasikara anasana atidoha ny olompirenena malagasy mba hanaradia ny firehan’izy ireo. Heverina angamba fa izany no tena atao hoe politika mirefarefa amin’ny tany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT