Politika maloto ao Alaotra Mangoro

Nesorina ny Talen’ny fotodrafitrasa vao voatendry fa tsy TGV


  • Alarobia 24 Aprily 2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Anton’io ny fanehoan-kevitra na « publication » tamin’ny tambajotran-tserasera nataon’ny Talen’ny Fotodrafitrasa eo anivon’ny Faritra DIR (Directeur des Infrastrictures Régionales), izay mikasika fanohanana kandida tsy miankina nataony. Tsara ny manamarika fa vao ny fiandohan’ny volana martsa Atoa Andriambelomanana Jonathan Pierrot no nandray ny toerany amin’ny maha « staff » eo anivon’ny Faritra Alaotra Mangoro io DIR io, ary naneho ny fiarahany ara-politika amin’ny kandida tsy miankina Nancy N°1, ka tsy levon’ny vavonin’ny TGV tarihin’ny governora sy ny ekipany. Notapahana tao anatin’io fivoriana io noho izany fa hatsahatra avy hatrany amin’ny asany io DIR io, ka nalefa tamin’ny Birao politika nasionalin’ny TGV ny fanapahan-kevitra mba ho tatitra. Tsy ny resaka fahaiza-manao izany aloha no mety ho zava-dehibe fa ny loko politika, ary tsy manan-tsafidy ny tsirairay, fa rehefa tsy volomboasary dia apitika. Lojika amin’ny lafiny iray hoe : ny loko sy fijery politikan’ny mpanendry no mila arahana, saingy manana ny safidiny ihany koa ny tsirairay, ka heverina fa efa fantatry ny notendrena ihany koa no hitranga. Raha ny fahitana ny fanehoan-kevitry ny lasibatra rahateo, dia toa tsy rototra fa firy mijoro sy manamafy ny foto-keviny sy ny safidiny. Na izany aza, miharihary hatrany ny fampanjakazakana loko politika iray amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ka izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ny volomboasary dia mety hahita faisana. Ny mpiasam-panjakana raikitra maro ny tratry ny fandrahonana famindran-toerana, toy ny mahazo ny mpampianatra. Ireo olom-boatendry raha vao misy midilatra kely dia lasibatra. Mitohy ny filalaovana ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny politika, ny fanjakazakana,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT