Politika

Filohana vondrona parlemantera iray kasaina haongana…


  • Zoma 07 Febroary 2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

toerany ny Filohana vondrona parlemantera iray. Mandeha ny toromarika avy amina mpitarika politika ny amin’ny hanoloana izany noho ny heverina fa fisiana disadisa anatiny, ka ampanaovana sonia ireo solombavambahoaka nampandany an’izany. Hatreto anefa, mbola tsy mety mipasy io, malaindaina ny amin’izany ireo depiote mpikambana amin’io Vondrona Parlemantera io ka toa miezaka miala amin’ilay dingana fanonganana, raha ny resaka mivoaka avy ao anatiny. Misy mihitsy aza no maneho hoe : « izahay tsy hanao an’izany ». Andaniny, tsy dia re firy ary mangingina sy tsy henoheno tato anatin’ny fotoana maharitra io olom-boafidy io, saingy raha ny feo mivoaka avy any ihany koa dia maneho fa hirefotra ny ampamoaka raha mifampikitikitika eo. Resaka ady mangatsiaka, tsy fanarahana fitsipika anatiny, fijoroana ho mpifaninana mivantana na ankolaka,… no voalaza fa isan’ny antony hanonganana io depiote io amin’ny maha Filohana vondrona parlemantera azy. Andrasana raha ho tanteraka ilay dingana fanonganana satria raha ny fantatra dia tsy vao sambany ihany koa ny saika hanilihana an’io filohana vondrona parlemantera io tao anatin’ny rafitra politika nisy azy tamin’ny taom-piasan’ny depiote nialohan’izao noho izy nosokajiana ho nivoaka ny vala. Nandeha ny toromarika tamin’ny famelezana azy sy depiote iray hafa ara-tserasera, saingy nilamindamina tao tamin’ny alalan’ny tokantrano tsy ahahaka ary samy afaka nirotsaka ho solombavambahoaka indray. Anketrihiny, mandeha ny resaka fanonganana ka asa na hipasy na hitsefotra ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT