Politika, fifidianana, fampandrosoana

Andrasana izay hambaran’i Tahina Razafinjoelina anio


  • Zoma 04 Oktobra 2024

Araka ny fampahafantarana samihafa, hisy ny fandaharana manokana amin'ny haino aman-jery

maro Kolo Tv, Dream'in, Ibc, Top radio, Acem radio, Tia Tanindrazana hataon’i Tahina Razafinjoelina anio zoma 04 oktobra amin'ny 9ora alina. Anisan’ireo kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo amin’ny fifidianana amin’ny 11 desambra izao ny tenany raha tsiahivina. Andrasana araka izany izay hambarany sy havoitrany ao anatin’ny fandaharana iarahany amin’ny mpanao gazety mirahalahy Hary ny Anja sy Yves Richard, izay heverina fa tena hahaliana ny mpanara-baovao. Maro no liana sy miandry izay hambaran’ity mpampianatra ity eo anatrehan’ny adihevitra politika samihafa, ny toe-draharaham-pirenena, ny fifidianana,… Asa efa hanolotra amin’ny ampahany ny vinany ho an’Antananarivo ihany koa ve ? « Tsotra, Marina, Mahomby », isan’ny foto-kevitra ijoroany io, ka efa nanipazany vao tsy ela fa tsy fampanofinofisana no atolony miaraka amin’ny ekipa niara-namolavola ny vinam-piaraha-monina, fa tena zavatra azo tanterahana kanefa mahasoa an’Antananarivo. Efa nitsipalotra ihany koa ny ampahany nilazany, fa isan’ny zavatra hotanterahana ny « Antananarivo nomerika » izay hahafahana manamora ny fitantanan-draharaham-panjakana, hametrahana ny mangarahara,… Mpanao politika tsy sasatry ny maneho ny tenany, fa mila atokisana ny Malagasy ary ny olombelona no harena voalohany, ka ilazany hatrany fa mila miaraka vao mandresy fa tsy mandresy vao miaraka. Tahaka izany ihany koa ny filazany, fa zava-dehibe ny fampianarana, ka beazina hahalala ny taniny ny Malagasy, miainga amin’izany ny asa fampandroana mba tena hifanaraka amin’ny filan’ny firenena. Tahaka izany ihany ny fitsinjaram-pahefana sy vola,… Andrasana izay tena hambarany anio ao anatin’ny fandaharana mandritra ny adin’ny iray sasany eo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT