Politika, fifidianana,…

Betsaka no efa « sur commande » ampanaovina ny HCC sy CENI !?


  • Alarobia 05 Jona 2024

Mafana ny toe-draharaha ara-pifidianana, ka miandry izay tena ho vokatra sy didy farany ny rehetra

eo anatrehan’ny lonilony sy ahiahy samihafa. Manana anjara toerana goavana lehibe ireo roalahy sokajian’ny mpanara-baovao ho mitàna ny « télécommande » eto. « Sur commande » daholo ny zavatra rehetra, hoy ny fanamarihana mandeha, ary tsy vao izao, fa saika isaky ny fifidianana dia toa mitady hanana endrika saritsarim-pifidianana sisa. 5 taona lasa izay, mbola tsy nivoaka akory ny valim-pifidianana ofisialy dia any Lafrantsa no milaza ny Filoham-pirenena fa nahazo depiote maro an’isa 80 mahery. Nandeha ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo izay tsy nandraisan’ny kandida maro anjara, dia toy ny efa « sur commande » hoe Ataovy 58% ny vatoko 1er tour, dia ny sisa zarao amin'izy 11 mirahalahy ? Hitam-poko hitam-pirenena ihany koa fa « sur commande » ny fanonganana an-dRazanamahasoa Christine, tsy maintsy miala ao anaty 12ora, tsy navela niaro-tena. Namofompofona hafatra tamin’i Lafrantsa satria vao avy noraisin’i Emmanuel Macron dia nandeha ny fanonganana. Asa noho ny tsy fisiana fandraisana ofisialy tany amin’ny Elysée taorian’ny fahalaniana kanefa ny Filohan’i RD Congo Félix Tshisekedi ve fa ny PAN indray voaray sy nomem-boninahitra ve ? Mbola « sur commande » koa ny fanesorana an-dRazafimahefa Herimanana na dia efa niverina holoholona tsotra aza mba hanakonana fa tsy ny Betsileo ihany no nesorina. Dia mbola mbola mampanahy indray ny vokam-pifidianana « sur commande » marobe fa tsy maintsy mahatratra maro an’isa ny laoranjy eny Tsimbazaza. Manampy azy ny an’ireny ny karazana fehin-kevitra efa nataon’ny SADC sy ny avy amin’ny Frankofonia, izay nipasoka fa milamina ny fifidianana, niampy ireny fampitandremana nataon'ny Emmonat ireny. Mety hanaiky ny tsy fahalanian'i Lalatiana mba hanehoana fa tsy mitombina ny hala-bato satria nisy minisitra tsy lany fa ho « sur commande » koa ny tsy hamerenana intsony an-dRazanamahasoa Christine eny Tsimbazaza satria mila havotana na "il faut sauver le soldat Florent" izay nandray ny « commande » nanesorana azy ? Ny Filohan’ny HCC indray tokoa ve no hanao lahateny hamerenana azy ho depiote izay ho fahafaham-baraka ho azy sy ny fitondrana raha izay no hitranga ? Ity farany izay nisy ny resaka niely omaly, fa nihaona tamin’ny solontenan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Dia samy miandry ny sary mety hitranga fa raha ny endriky ny zava-misy toa betsaka ny zavatra efa « sur commande !?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT