Politique

Politika, fiaraha-miasa Nihaona tamin’i Christine R. ny Masoivoho Amerikanina


  • Alarobia 15 Martsa 2023

Tonga nihaona tamin’ny Filohan'ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa ny Ambasadaoro Amerikana Claire Pierangelo androany omaly 14 martsa 2023.

Niresaka momba ireo tanjona iombonan’I Etazonia sy Madagasikara, toy ny mba hisian'ny fifidianana malalaka sy madio ary mangaraharaha amin'ny faran'ity taona ity. Fotoana nanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa efa misy eo amin'ny firenena roa tonta ihany koa ny omaly. Notsiahivina fa tamin'ny taon-dasa ohatra, dia maintimolalin'ny programa fifanakalozana tohanan'ny governemanta amerikana mianadahy no nandray anjara tamina fihaonana momba ny demokrasia sy fahaiza-mitantana tany Washington D.C, ary niara-nanohana izany ny masoivoho amerikana sy ny antenimierampirenena. Nanamafy hatrany ny fiaraha-miasan'ny rafitra roa tonta izany indrindra amin'ny fampiroboroboana ny demokrasia eto Madagasikara sy ny fametrahana fifandraisana eo amin'ny Antenimierampirenena Malagasy amin'ny Kaongresy Amerikana, hoy ny fanamarihana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT