Politique

Politika, fiainam-pirenena Nampaneno lakolosy ny zanak’i Fianarantsoa


  • Alatsinainy 27 Febroary 2023

Nifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona 2023 ny Fikambanana FIZAFAFI (Fikambanan’ny Zanaky ny Faritanin’i Fianarantsoa) notarihin’ny Filohan’ny Filohany Rtoa Christine Razanaahazoa izay sady Filohan’ny

Antenimierampirenena ny sabotsy 25 febroary lasa teo. Fihaonan-dahibe izay natao tao amin’ny Kianja Don Bosco ao Fianarantsoa. Tonga avokoa ireo solontena avy amin’ny Faritra miisa 6 tamin’ny ankapobeny, ary tena naneho fa manana vahoaka ny FIZAFAFI. Ara-politika, toa somary nisy ihany ny karazana tsindry na hafatra politika tsy azo hamaivanina niantefa tamin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. “Omenay anao ny vatonay, fa omeo anay Mahazoarivo sy Tsimbazaza. Tsy tokony ho latsaky ny 10 ny minisitra avy aty Fianarantsoa ao anatin’ny Governemanta”, nataon’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, izay raha zohiana dia maniry ny toeran’ny Praiminisitra izany ny zanak’I Fianarantsoa. Raha miverina amin’ny raharaha fitsipaham-pitokisana teo anivon’ny Antenimierampirenena ny 07 desambra 2022, nisy ny resaka nandeha fa dia nisy nidiran’ny “cause cotière”. Niainga teo anivon’ny Antenimierampirenena ny fitsipaham-pitokisana ary voalaza fa isan’ny tsara toerana ho Praiminisitra ny Minisitry ny fiarovana sady nitana ny raharaham-bahiny teo aloha Jeneraly Rakotonirina Richard izay zanak’I Fianarantsoa ka nisy nifandraisany ve ireo? Raha nisy ny fampanantsoan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina an’ireo depiote IRD sy lohandohan’ny mpisorona avy amin’ny Vondrona sy antoko mpiara-dia amin’ny fitondrana, dia voalaza fa latsa-dranomaso satria nobedesina teo imason’ny rehetra ny Filohan’ny antenimierampirenena, ary nasaina natsefotra ny fitsipaham-pitokisana. Raha ny sary politika niseho tao Fianarantsoa, toa nampiharihary ny mety ho ady mangatsiaka. Mipoitra indray anefa ny fangatahana ny hahazoana ny toeran’ny Praiminisitra kanefa efa sarotra ny hanilihana ny Praminisitra Ntsay Christian. Mety ho an’ny amin’ny “deal politique” ho avy izany no kajy raha mbola hifandray ny tadin-dokanga hoe: ho tambin’ny fampandaniana an-dRajoelina dia homena ny Zanak’I Fianarantsoa ny toeran’ny Praiminisitra raha mbola lany. Misy amin’ireo mpanao politika avy ao amin’io Faritany io anefa no efa mitsipaka fa tsy nifanarahana izany, ary misy rahateo ireo mety ho kandida. Na avy amin’ny volomboasary aza ny Filohan’ny FIZAFAFI, mbola baraingo ny hoe: hanaraka ny toromarika politikany ve ny mpikambana eo anatrehan’ny fahadisoam-panantenan’I Fianarantsoa amin’ny fitondrana raha tsy hilaza fotsiny afatsy ilay fampanantenana poakaty hoe: hasiana pôle urbain?
TSY MAHAFALY NY OLON’NY FITONDRANA ?
Hita taratra ny mety fisian’ny ady mangatsiaka na lonilony politika. Tsy isan’ny tazana ny Filoham-pirenena na heverina fa fotoan-dehibe aza io. Ny minisitry ny asam-panjakana sady depiote teo aloha Rivotiana Jean Bosco izay zanaky ny faritanin’I Fianarantsoa no mpikamban’ny governemanta nanotrona izany. Maro ireo depiote voafidy tao amin’io faritany io tazana ka anisany ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa, raha toa ka tsy teo kosa ny depiote Seth Rajoelina. Tsy tazana ny governora maro, ka anisany ny governoran’i Matsiatra Ambony Lova Paupil Razafindrafito, na dia tao an-toerana aza, raha ny fanamarihana. Voalaza fa tsy tazana ihany koa ny Fikambanana Betsigroupe izay mpanohana mafana fo ny Filoha ankehitriny. Teo amin’ny fandrakofam-baovao, misy ny nanamarika fa tsy dia tazana ny avy amin’ny haino aman-jerim-panjakana ka asa na fifandrifian-javatra na nomena toromarika manokana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT