Politika eto Madagasikara

«Lasa toy ny fampianarana haivarotra»


  • Alatsinainy 30 Septambra 2024

Lasa toy ny fampianarana haivarotra na "Marketing" ny fampiofanana na fianarana politika eto Madagasikara,

hoy ny fanehoan-kevitry ny mpikatroka politika iray. Tsy mijanona amin'ilay tena fototra maha politika ny politika fa lasa toy ny entam-barotra amidy amina dokam-barotra, hoy izy. Jereo fotsiny ireo endrika aseho momba ireo kandida, na depiote io na ben'ny tanana na filoha koa! Misy kandida jerena noho ny faritra nihaviany na foko nihaviany ka hisarihana ireo mpiray faritra aminy. Misy kandida jerena noho ny vondrona na ireo vondrona nihaviany ka hisarihana ireo iray vondrona aminy na iray nihira taminy. Ohatra izany hoe skoto na mpiandry izy na mpanao afera sy ny toy izany. Misy kandida jerena amin'ny fokontany nihaviany mba hisarihana ireo mpiray fokontany aminy. Misy kandida jerena araka ny mety fankafizan'ny faritra manokana na toerana manokana izay mety be mpifidy. Izany hoe tsy ilay fahaizana amam-pahalalana na fahendrena na traikefa no jerena ka isafidianana kandida fa izay hita fa mifanaraka amin'ny hetahetan'ny mpifidy sy ankafizin'ny mpifidy. Raha mbola toy izany ny fanaovana politika eto Madagasikara dia tsy mbola handroso velively i Madagasikara na mbola afaka 100 taona aza. Ny tena loza ankehitriny dia efa lasa misy fomba fifidianana kandida natao hanaparitadritaka vaton'izay mpifaninana sakanana tsy ho lany mihitsy satria atahorana sao hitondra ilay tena fanaovana politika madio sy am-pahamarinana ka manelingelina ireo mpanao politika sy mpitondra mpanao lalan-dririnina izay nampianarin'izay mpanakanto malagasy iray izay manao hoe "Manaova politika raha te hanan-karena...", hoy hatrany ny fanazavan’ity mpikatroka politika ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT