Politique

Politika avo lenta Nangina tanteraka i Ravalomanana


  • Alakamisy 17 Novambra 2022

Nangina ary tsy hita tabilao firy tamin’ny politika ny Filoha teo aloha Atoa Marc Ravalomanana. Paikady politika sa fakana bahana amin’ny ho avy? Ny azo antoka, tsy tongatonga ho azy ny fahanginan’ity Filoha teo aloha ity. Tombanana ho paikady politika hiatrehana ny ho avy. Maro ireo toe-javatra: ara-politika, ara-toekarena, sosialy, diplaomasia, jeopolitika,…

ary amin’ny fotoana hisehoana toe-javatra lehibe dia matetika maneho hevitra sy manao fanambarana ny Filoha teo aloha sy ny antokony. Tsy nisy anefa izany tato ho ato, indrindra fa tao anatin’ny roa volana teo ho eo. Ao anatin’ny antokony, misy ny toe-javatra hafahafa, toy ny filazan’ny Lehiben’ny Vondrona Parlemantera TIM fa misy depiote roa tsy miara-mivory intsony. Tsy niteny na naneho hevitra mikasika an’ireny ny Birao politikan’ny TIM tamin’ny ankampobeny, ary ireo nanontaniana dia samy namaly tsotra fa manana ny rafitra ny antoko, ka no tompon’ny fanapahan-kevitra,… Ny raharaha politika lehibe amin’izao dia ny hoe: ho raikitra ihany ve ny Fikaonandoham-pirenena sa tsia? Hanao ahoana ny ho avy politika eo anatrehan’ny fitakiana ny fanadiovana ny kianja politika? Ahoana ny ho sary politika hiseho mialohan’ny fifidianana? Rehefa avy naneho ny ahiahy maro sy namosaka ny vahaolana, ary nanome toromarika ny mpanara-dia azy I Marc Ravalomanana dia nangina. Toa lasa mpitazana, ary toa maneho ankolaka amin’ny Malagasy hoe: aleo ianareo no mijery sy mahita ny zava-misy mba ho tonga saina? Ny zavatra tsikaritra amin’ny ara-politika ihany koa anefa, rehefa mangina tsy re feo firy ny avy etsy Faravohitra dia toa mandeha ny savorovoro politika samihafa ao anatin’ny fitondrana, ka taratr’izany ireo raharaha sy ampamoaka maro samihafa sesilany, miharihary hatrany ny tsy fahombiazana sy ny tsy fihetezan-javatra maro,… Amin’ny politika, ny fahalemena sy ny tsy fahombiazan’ny fitondrana am-perin’asa dia mivadika ho tombondahiny ho an’ny mpanohitra. Raha ny lojika politika, ary ny fanehoan-kevitr’ireo mpikatroka politika ao anatin’ny TIM sy ny sasany ao anatin’ny fanoherana, dia Ravalomanana no kandida natoraly amin’ny 2023. Handeha araka izay ve ny ho fisehon’ny sary politika eto? Avo lenta ny sary politika misy ankehitriny satria hita taratra ihany ny hoe: tsy miady tsy miady kanefa ny kibay an-kelika ihany. Ankoatra ny fikaonandoham-pirenena sy ny fametrahana kianja madio ara-pifidianana izay hitovizan-kevitra, misy ihany amin’ireo mitonona ho mpanohitra maniry mafy ny tsy hirotsahan’I Marc Ravalomanana. Mandeha ny ketrika avo lenta, mandeha ny adihevitra sy adivarotra,… Mety misy ny kapa ranjo amin’ny endriny maro satria misy vondron’olona tena tsy faly ary hanao izay faraheriny hanakanana ny mety hahatafaverenan-dRavalomanana eo amin’ny Fitondrana. Asa izay mety ho sary politika hiseho, fa ny hitovizan’ny rehetra hevitra ihany koa anefa dia ny hoe: tsy mety intsony ny fiverenan’ny Filoha ankehitriny amin’ny fitondrana. Iza no handimby an-dRajoelina raha izany? Ravalomanana sa olon-kafa? Inona no toe-javatra ara-politika goavana mety hiseho atsy ho atsy ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT