Politique

Politika avo lenta Misy mitady hamboly korontana hanemorana fifidianana ?


  • Alakamisy 23 Febroary 2023

Manahirana ny toe-draharaham-pirenena sy politika ary sosialy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mitombo ny olana, ary tsy mbola mazava ny làlan-kivoahana.

Eo anatrehan’izany, mandindona ihany koa ny fambolena korontana sy fipoahana ara-tsosialy, ka efa miomamkomana amin’izany ireo ngetroka eto amin’ny firenena, raha resaka miainga sy kotrehina any ambadika any. Eo ny fahasarotam-piainana sy ny toe-draharaha politika izay raha jerena amin’ny fomba mahitsy, dia mety hampitroatra vahoaka tokoa. Ny zava-doza anefa, misy tetika politika avo lenta tiana hokotrehina eto, tena tetika maloto mifototra amin’ny kajy politika, mety fandrobohana sy fampidirana anaty korontana sy ady an-trano mihitsy. Tanjona amin’izany ny tsy hirosoana amin’ny fifidianana, ka mety hokopahana hitarika korontana mihitsy ny antoko na mpanao politika sasany milaza ho mpanohitra. Ny sary politika miseho eto, ireo tena mpifanandrina ara-politika mivantana amin’ny fitondrana dia tsikaritra ho tony, ary miezaka mametraka ilay hoe: fanoherana ao anatin’ny faharanitan-tsaina. Ny mpitondra indray no toa miezaka mihantsy sy mandranitra manao izay hampitroatra azy, raha tarafina amin’ireny fanenjehana sy fanakantsakanana samihafa ireny. Tahaka izany ihany koa ny fanenjehana sy fanagadrana samihafa izay hita taratra ihany ny toe-javatra toa misy tsy ara-drariny. Ahiana noho izany ny mety ho fambolena sarintsarim-pitroarana sy fipoahana, hoenti-manadio tena sy hipetrahana ho lasibatra na “victime”. Rehefa tafaroboka ao anaty korontana, mazava ho azy fa tsy hisy ny fifidianana.
MORA LALAOVINA NY VAHOAKA SAHIRANA
Ny vahoaka sahirana dia iaraha-mahalala sy mahita fa somary mora taitaitra. Tsy sanatria momba sy mankasitraka ny tsy fanjariana rehetra misy, ny tsy fahaiza-mitantana, ny afera maloto, tsy firaharahiana vahoaka, fihemoran’ny firenena,… fa kosa mila mitandrina ihany sao ho tafaroboka amin’ny kajy maloto mety vao mainka hampidi-kizo. Raha vao mikorontana mantsy ny firenena, miakatra avo roa na telo heny io vidim-piainana io, indrindra fa tsy tena finiavana hanavotra firenena no hambolena hetsika, fa kajy politika avo lenta. Taratr’izany ny tamin’ny 2007-2008, dia niaraha-nahita ny tohiny, fa tsy voaarina mandrak’androany ny vokany. Ilaina ny mijoro sy miady eo anatrehan’ny zava-misy, saingy mila mahay mijery sy mandinika ihany sao misy ny vela-pandrika!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT