Misy tsio-drivotra politika mitranga
izay heverina fa tsy mandehandeha ho azy indray amin'izao fotoana izao ao amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza. Tsy tongatonga ho azy ny zava-mitranga nanomboka ny alatsinainy 10 Aogositra 2026 teo. Nitsangana tampoka ny VFM – Vovonana ho an’ny Fihavaozan’i Madagasikara, izay nambara fa ivondronana depiote 80 mahery, manohana ny fitondrana fanavaozana. Nanambara fa mivoy ny fanavaozana marina, famindram-po, fihavanana, fahaiza-mitantana sy tamberin'andraikitra,... Fampitambarana ireo olom-boafidy na am-perinasa na ny efa tsy eo, misokatra ho an'ny rehetra,... Depiote tsy miankina sy ireo mpiara-dia aminy izay manohana ny Fanjakana Fanavaozana no mivondrona ao, izay mazava ho azy fa ao ny volomboasary izay nanohana an'i Andry Rajoelina, saingy nanao fitsipaham-pitokisana nanonganana azy tamin'ny ora farany, ny oktobra 2025, nahatonga azy nandray didim-panjakana tany am-pandosirana nandrava ny Antenimierampirenena, saingy tsy nanan-kery. Filohan'io ny depiote Andrianjanahary Fanomezantsoa, filoha lefitry ny Antenimierampirenena, voafidy tao Manandriana. Filoha lefitra : Pety Rakotoniaina (Ikalamavony), Jhonny Rakotoarisoa (Ambohidratrimo), Arosy François dit La Banane (Nosy Be). Sekretera jeneraly: Marco Tsaradia, voafidy tao Ampanihy Andrefana sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena. Voalaza fa misy depiote teo aloha, Ben’ny tanàna ihany koa tafiditra ao anatin’ny VFM. Mazava ho azy fa misy antony lehibe ara-politika ny fahaterahan'io, izay heverina fa tsy voafaritra ho raharaha anatiny ao Tsimbazaza fotsiny. Asa tafiditra amin'ny resaka fifampiresahana sy fifandresen-dahatra politika, ka mety hisiana fanovana na fifanarahana vaovao ara-drafitra ve? Ny resaka mandeha aloha dia mafanafana ao Tsimbazaza. Solombavambahoaka 100 eo ho eo no voalaza nivory nikaton-trano omaly. Mandeha ny resaka na "bruits de couloir " teny Tsimbazaza omaly ny amin'ny fandravana ny birao maharitra sy ny fandravana ny governemanta. Nivoaka ny filazana avy eo ny tolakandro fa tsy resaka fanovana ny birao maharitra no nifantohan’ny fivoriana nikaton-drano fa fampizaram-baovao momba ny fanadihadiana parlemantera sy ny raharaham-pirenena no tena niompanan’ny dinika. Samy miandry izay tena ho akony anefa satria inoana fa tsy mandehandeha ho azy io, fa misy politika avo lenta.
NANGINGINA NY PAN TATO HO ATO…
Ny tsikaritra dia ny hoe: nangingina sy tsy re feo firy ny Filohan'ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko, izay matetika hita sy re ary maneho hevitra avy hatrany vao misy resaka sy toe-draharaha mafampana. Fifandrifian-javatra ve ny fahanginany sa manomboka miova indray ny sary ao Tsimbazaza ? Niverina niparitaka eny amin'ny tambajotran-tserasera indray ny ny hoe: "Ravao ny Antenimierampirenena". Tahaka izany ihany koa ny hoe: "Miala Siteny!", izay misy ny fanapariahana fa manao marimaritra iraisana amin'ny volomboasary, mampitarazoka ny raharaha fanenjehana an'i Andry Rajoelina,... Asa mety mahatonga an'izany ve ohatra ny hoe: ny avy amin'ny arofenitry ny Antenimierampirenena no nandray an'i Naivo Raholdina ny fiandohan'ny volana mey raha niverina avy any am-pitsoahana saingy nosamborina avy eo? Heverina fa tsy mandehandeha ho azy ny sary politika miseho fa misy dikany sy antony ary tanjony. Asa manao ahoana ny fifandraisan'ny PAN amin'ny depiote amin'izao fotoana izao? Manao ahoana ny fifandraisany amin'ny PRRM sy ny governemanta ? Misy ifandraisany amin'ny fanehoana fifampiresahana sy fisokafana ara-politika ataon'ny PRRM sy ny toa fahanginan’ny PAN tato ho ato ve ny sary politika?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.