Mafonja ny lahadinika mikasika ny fitsipika anatin’ny antenimieram-pirenena mandritra ity fivoriana ety Tsimbazaza nosokafana androany ity (TTF : Omaly), hoy ny depioten’Ambositra, Monique Rasoazananera.
Eo ny fanovana ho amin’ny tsaratsara kokoa ary manaraka izay ny mikasika ny sata mifehy ny mpanohitra. Goavana sy mila fandinihana tsara izany mba tena hipetrahan’ny demokrasia. Teo ny fampahafantaran’ny praiminisitra ny politika ankapoben’ny fanjakana izay ilain’ny depiote mba hanaraha-maso ny fanatanterahana azy. Zava-dehibe ny fametrahana maridrefy mikasika an’io mba hidirana lalina ao anatiny fa tsy hosafosafoina fotsiny. Niangaviana sy notsipihin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena moa ny fahavitrihan’ny solombavambahoaka ao anatin’ireo 15 andro takiana aminy hijery ireo lahadinika miisa 3. Arakaraky ny fahavitrihana no ahafahana miteny sy mandinika ny tolo-dalàna atolotra, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.