Politika Afrikanina

Mitohy ny leson-dratsy…


  • Talata 23 Janoary 2024

Mitohy ny leson-dratsy ary toa ifakana tahaka ny fibodoam-pahefana aty Afrika.

Firenena 3 no vao avy niatrika fifidianana, ary mitovitovy ny sary mitranga. Nisantatra izany i Madagasikara, izay tao anatin’ny lonilony sy savorovoro miampy herisetra, saingy nentina tamin’ny amboletra. Lany fihodinana voalohany ny kandidam-panjakana dia ny Filoha teo am-perinasa Andry Rajoelina, saingy fifidianana tsy taratry ny demokrasia satria tsy nandray anjara ny kandida maro an’isa, ny 8,2 tapitrisa mahery tamin’ny mpifidy 11 tapitrisa no tsy resy lahatra tamin’ilay kandida nambara fa lany tamin’ny salan’isa 58% mahery. Fahamarinan-toerana inona no ho vanona amin’izany ? Nilefitra teo anatrehan’ny fandrangarangana hery sy ra mandriaka ny rehetra. Nandeha ihany koa ny fifidianana tany RD Congo dia mitovitovy amin’izany ihany ny sary miseho, tafajanona eo amin’ny fahefana ny Filoha Felix Tshisekedi izay voalaza fa lany 73,34%. Nialohavana sakoroka ihany koa ny fifidianana tatsy Kaomoro, ary mitohy izany amin’izao taorian’ny famoahana valim-pifidianana fa lany tamin’ny isa 62,97% i Azali Assoumani. Nafana ny fidinana an-dalambe, famotehan-javatra, fanafihana tranom-panjakana sy mpitondra ambony ataon’ny olona,… raha toa ka mangotraka ihany koa ny hetsiky ny tafi-panjakana amin’ny fandravana hetsika tonga hatrany amin’ny fahafatesan’olona, fisamborana marobe,… Ny any Sénégal no misy fiavahany kely satria taorian’ny sakoroka dia nanaiky ny tsy ho kandida ny filoha am-perin’asa Macky Sall saingy karazan’ny efa mipetrapetraka ihany ny kajy hametrahany ny saribakoliny eo anatrehan’ny kajy nisakanana ny firotsahan’i Ousmane Sonko ilay tanora mpitarika isan’ny malaza sy be mpanohana sy i Karim Wade zanaky ny Filoha teo aloha Abdoulaye Wade, izay mety hiteraka sakoroka ihany koa. Ampahany ireo, fa mitohy ny sary ratsy aty Afrika. Manao randran-tarihina ary mbola tsy afaka amin’ny Afrikanina ny politika fibodoan-toerana sy fahefana. Nalaza tany aloha ry Robert Mugabe tany Zimbawe izay nahatratra 34 taona, kanefa niongana tao anatin’ny sakoroka. Nahavita niorina teo amin’ny fahefana nandritra ny 42 taona i Muammar Kadhafi tao Lybie (1969-2011) saingy niongana ary novonoina na dia azo lazaina ho nilamina aza ny fari-piainan’ny Libianina. Nirodana tao anatin’ny « printemps-Arabe » ry Housnie Moubraka tany Egypte rehefa nitondra 30 taona (1981-2011), tahaka izany ihany koa i Zine El Abidine Ben Ali tany Tonizia rehefa nifikitra teo 23 taona (1987-2011), voatery nandao ny fahefana ihany koa i Abdeleziz Bouteflika tany Algerie rehefa nitondra 20 taona (1999-2019),… Raha ny teto amintsika moa, naharitra indrindra ny filoha Filoha Amiraly Didier Ratsiraka izay niaraha-nahalala ny niafarany tamin’ny raharaham-pifidianana 2001-2002. Midika ireny fa misy fetrany ihany io hery sy fahefana io ! Hatao takalon’aina amin’ny fitiavan-tseza sy fahefana foana ny Firenena Afrikanina maro ka miainga any amin’ny aotra hatrany rehefa feno ny kapoaka ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT