Nanao fivoriambe voalohany teny amin’ny Toit de Tana Hotely Carlton Anosy omaly hariva ireo mpanao politika sy mivondro ao anatin’ny vovonana manohana ny filoha Hery Rajaonarimampianina.Nitarika ny fivoriana ny filohan’ny antenimieran-doholona sady filoha nasionalin’ny HVM Rivo Rakotovao,
tazana teny an-toerana ihany koa ny mpikambana maromaro avy ao amin’ny governemanta no tarihan’ny praiminisitra sy ireo mpanolotsaina manokan’ny filoha ary solombavambahoaka akaikin’ny fitondrana.
FIRAISAMONIM-PIRENENA
Tokony notanterahana omaly ny dinidinika ambany tafontrano « Fandrefesana ny fahombiaza’ny asan’ny parlemantera : fanambin’ny olompirenena » nifanovana tamin'ireo depiote anankiroa: Ramatoa Andriamasimanana Auréline sy Atoa Raharijaona, ao anatin'ny tetikasa PPS izay iantsorohan'ny Liberty 32 miaraka amin'ny Masoivohon’i Etazonia tetsy amin'ny Centre Arrupe Faravohitra. Efa nivonona Ramatoakely Lili Rabiata handrindra ny fotoana, sy Atoa Razakandrema Andria, mpiantsehatra ao amin'ny fiarahamonim-pirenena, saingy tsy tonga ireo depiote nasaina. Voatery nofoanana noho izany ny dinidinika. Any Toamasina indray ny fotoana rahampitso 24 martsa.
HALATRA MOTO
Loharanom-baovao avy amina mpitandro filaminana iray miasa etsy amin’ny Borigady Misahana ny Heloka bevava na ny BC Anosy no nahalalana, fa nisy mpitandro filaminana sarona nangalatra “moto” teny Isotry ny talata lasa teo, ka ny iray dia mbola nahatrarana rongony, hoy hatrany io loharanom-baovao io. Ny polisin’Isotry no nahasambotra azy ireo, ary nentina teny amin’ny BC Anosy avy hatrany natao famotorana.
ASA FANAOVAN-GAZETY
Ny 995 tamin’ireo mpanao gazety nanolotra ny antontan-taratasy momba azy mba hahazoana ny karatra maha matihanina no efa tafiditra ao anaty lisitra hahazo izany amin’izao fotoana izao, raha ny lisitra nivoaka omaly. Ny 399 tamin’ireo lisitra ireo no avy eto Analamanga. Miara-miasa akaiky ny holafitra sy ny komisionina mba hisorohana ny hosoka, hoy ny Filohan’ny holafitry ny mpanao gazety (OJM), Gérard Rakonirina. Tsara kosa anefa no mampahatsiahy sy mampahafantatra fa maro ireo orinasan-tserasera tsy mankasitra sy manda ny fomba entina mizara ity karatra ity, eny fa ny samy ao anatin’ny Biraon’ny OJM aza dia tsy mitovy hevitra.
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA
Tovovavy iray no tratry ny lozam-pifamoivoizana teny Marohoho Tsimbazaza omaly hariva, ka naratra mafy. Voatery nentina haingana teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha tao amin’ny sampan vonjy taitra. Tsy fantatra kosa izay fianakaviany fa dia ny fitondrana azy teny amin’ny hopitaly aloha no natao haingana.
TARANJA LOMANO
Mpilomano Malagasy miisa efatra no hisolo tena an’I Madagasikara handray anjara amin'ny "Championnat d'Afrique Zone 4" atao any Malawi ny 21 hatramin'ny 24 aprily ho avy izao. Nihaona tamin’ny Minisitry ny fanatanjahantena Jean Anicet Andriamosarisoa, izay ray mpiahy ny fanatanjahantena Malagasy izy ireo.
KICK-BOXING
Razanajatovo Elfazar Fazaraly, 21 taona no tanora Malagasy voalohany hiatrika ny haiady Kick Boxing izay atao any Chine ny 01 Aprily ho avy izao. Ilay mpikarakara fifaninana lehibe kalaza eran-tany KLF no mikarakara ity lalao ity. Fazaraly dia anatin’ ny ekipa nasionaly Malagasy amin’ ny taranja Kick Boxing. Mandranto fianarana na « stage professionnel » momba ity haiady ity any Chine mandritra ny taona maro izy ary efa betsaka ny dingana vitany raha ny haiady io no resahina. Efa tompondakan’ i madagasikara, tompondakan’ ny ranomasim-be Indianina ary efa « vice champion d’ Afrique »ihany koa.
TONTOLO IAINANA
Nampahafantarina am-bava nandritra ny filan-kevitry ny minisitra omaly ny hampiantranoana an’I Nosy Be Hell Ville ny 6-7 aprily izao ny fihaonana mahakasika ny fiarovana ny tontolo an-dranomasina sy ny morontsiraka mifandraika amin’ny Fifanarahan’I Nairobi na ny “Convention de Nairobi”.
FANENDRENA OLONA AMBONY
Nirarakopana indray ny fanendrena tompon’andraikitra ambony nandritra ny filan-kevitry ny minisitra omaly. Tompondaka mihitsy ny HVM raha io taranja iray io, saingy ny vokatra aloha dia tompndaka tanteraka ihany koa amin’ny tsy fahombiazana. Ny mahagaga dia tsy sahy mikitika governemanta intsony na efa hita izao aza fa maro ny manondrana sy manaotao foana.
MINISITERAN’NY FILAMINANA
Tomponadraikitra ambony miisa 4 no nalana ary efa no indray notendrena hasolo azy ireo nandritra ny filan-kevitra ny Minisitra omaly. Isan’ny voatendry ho Talen’ny Sekoly ambony manofana ho polisim-pirenena na ny ENSP Rtoa Randriambelo Mandimbin’ny Aina Mbolanoro.
MINISITERAN’NY HARENA ANATY RANO
Tomponandraikitra miisa 4 ihany koa no indray nesorina ary mazava ho azy fa nisy ny fanendrena olom-baovao hisolo azy ireo. Isan’ny minisitera tsy dia misy mpahalala firy izy ity, ka tsy hay na ny minisitra no tsy miasa sy tsy mamokatra na ahoana?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.