PM teo aloha

Herintsalama Rajaonarivelo


  • Alarobia 11 Martsa 2026

Niezaka aho nametraka ny fahamarinan-toerana

ara-toekarena ! Mirary soa ho an’izay handimby»
Nanao fanambarana lehibe ny Praiminisitra teo aloha, RAJAONARIVELO Herintsalama Andriamasy omaly 10 marsa 2026, taorian’ny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, hampitsahatra ny andraikiny amin’ny maha Lehiben’ny Governemanta azy. Niaiky am-pitoniana sy amim-panajana tanteraka izy fa tapitra ny andraikiny amin’ny maha Praiminisitra azy, araka ny didim-panjakana navoaka ny 9 marsa. Tao anatin’ny fanambarana an-taratasy nataony, naneho fankasitrahana lalina ho an’ny vahoaka Malagasy, indrindra ny tanora Gen Z ny Praiminisitra, noho ny fandraisana anjara mavitrika tamin’ny fanavotana sy fanavaozana ny firenena. Notsindriany manokana ny anjara asa lehibe nentin’ireo mpiray antoka ara-teknika sy ara-bola, toy ny Vondrona Eoropeana, Banky Iraisampirenena, FMI, ary ny rafitry ny Firenena Mikambana, tamin’ny fanohanana ny politika fanavaozana. Notsongainy ihany koa ny fandraisana andraikitra sy fanampiana nataon’ireo fikambanana iraisampirenena toy ny OMS, OCHA, ary ny Federasiona Iraisampirenena misahana ny Croix-Rouge, nandritra ny fiatrehan’ny firenena ireo rivo-doza mahery Fytia sy Gezani. Naneho fisaorana manokana ho an’ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, ny FFKM, ny Mpino Silamo, ary ireo mpitarika ara-pivavahana rehetra izy, noho ny fanohanana ara-panahy sy ara-pomba nandritra ny fanatanterahana ny iraka. Nisaotra ny ekipa manontolo izay niara-niasa taminy izy, izay nambarany fa tena niezaka tamin’ny heriny manontolo, mba hamerenana ny fitokisan’ireo mpira-miombon’antoka, hitarehana ireo dona nihatra ara-toekarena sy ara-tsôsialy. « Niezaka izy ireo haneho ny mangarahara sy ny fahamarinana-toeran’ny rafitra makroekônômika, izay efa nahitana vokatra mivaingana sy azo tsapain-tanana. », hoy ny Praiminisitra teo aloha Herintsalama Rajaonarivelo. « Araka izany, ekeko am-pitoniaina sy amim-panajana tanteraka ny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika hampitsahatra ny andraikitra amin’ny maha Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta ahy, araka ny Didim-panjakana fanapahana noraisina ny 9 marsa 2026. », hoy hatrany ny tenany. Naniry fahombiazana feno ho an’izay handimby azy amin’ity andraikitra lehibe ity Atoa Herintsalama Rajaonarivelo, ary mivavaka mba hanjaka mandrakariva eto amin’ity firenena malalantsika ity ny fandriampahalemana, ny firaisankina ary ny fihavananan, hoy hatrany izy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT