Politique

PM sy PAN Efa tena sakay sy maso ?


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

Manomboka anio alatsinainy 27 janoary 2024 ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny

parlemanta roa tonta taorian’ny fiantsoana nataon’ny governemanta tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 24 janoary 2024 lasa teo. Isan’ny anton’io ny fanolorana ny Programa ankampoben’ny Fanjakana na ny PGE. Voalazan’ny andininy faha-99 amin’ny lalàmpanorenana ny fanolorana an’io amin’ny fanombohan’ny taom-piasana vaovaon’ny filoha voafidy, ka ao anatin’ny 30 andro nanendrena ilay Praiminisitra no hanolorana izany. Samy miandry ny rehetra hoe : hanao ahoana ny fihaonana voalohany eo amin’ny roa tonta, indrindra ho an’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, taorian’ny krizin’andrim-panjakana niainga tany amin’ny desambra 2022 nisian’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta izay nezahin’ny filoham-pirenena natsefotra ? Ny sary nitranga dia toa nifanao fangala-piery, ka raha eo ny iray dia tsy tazana ny iray, ary toa mbola mitohy io, raha ny sary anio. Raha ny fantatra mantsy, dia nisafidy ny nandeha nivoaka ivelan’i Madagasikara mitsidika an’i Algérie nanomboka androany 28 janoary 2024 ny Filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa. Taorian’ny fitsenana ny delegasiona malagasy teny amin’ny seranam-piaramanidina dia nisy ny fihaonana tamin’ny manam-pahefana, solontenan’ny «Assemblée Populaire Nationale». Mbola hitohy anio ny fihaonana amin’ireo tompon’andraiki-panjakana ao Algérie amin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, hoy ny fampitam-baovaon’io Andrim-panjakana io. Mitohy izany ny an-kiafina sy ny lonilony rehefa zohiana, izay maneho sy manamafy ny krizin’andrim-panjakana sy lonilonin’ny lehiben’ny andrim-panjakana ka ao anatin’ny fihaonana lehiben’ny andrim-panjakana ary azo lazaina ho fotoana goavana amin’ny raharaham-pirenena no mitohy ny fifangarihana. Efa tena lasa sakay sy maso tanteraka ny Praiminisitra sy ny Filohan’ny antenimierampirenena ?
FILOHANA ANDRIM-PANJAKANA NATAO FAHIRANO…
Raha nisy TGV niainga tany amin’ny 2009 angamba tsy nisy tahaka an-dRtoa Christine Razanamahasoa. Mahalala zavatra maro, nitazona toerana stratejika tamin’ny naha Minisitry ny fitsarana, filoha andrim-panjakana in-droa miantoana ary lany 100% tamin’ny farany teo. Karazan’ny nataon’ny volomboasary fahirano tanteraka ity farany rehefa tojo tsy fitovian-kevitra. Na volomboasary aza, dia tsy nisorona nitanisa ny zavatra tsy nety sy nampaneno lakolosy ho an’ny governemanta teo anatrehan’ny olana samihafa, indrindra fa ny lafiny toekarena sy sosialy, toy ny vidim-piainana, delestazy, tsy fandriampahalemana,… Nijoro ho mpanelanelana niaraka tamin’ny FFKM teo anatrehan’ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika nialohan’ny fifidianana, ary tsy nisorona teo anatrehan’ny zavatra tsy mety sy mila alamina, saingy nenjehina ho mpamadika, nambaran’ny governemanta ho mpitarika vondron’olona mpanohitra sy mpanongam-panjakana sy manohintohina lalàmpanorenana. Nesorina tsy ho mpikamban’ny TGV, nitadiavan’ny olon’ny fitondrana fomba hanilihana tsy ho Filohan’ny Fikambanan’ny Zanaky ny Faritanin’i Fianarantsoa na FIZAFAFI,… Mbola misy 5 volana eo ny fe-potoana hiasan’ny depiote ankehitriny ka asa na hisafidy ny hiala sasatra ara-politika Rtoa Christine Razanamahasoa na hanohy hirotsaka hofidiana depiote na mety mbola homena andraikitra hafa ? Ny feo mandeha ihany koa mantsy dia hoe : mety halefa ho kandida depiote sy hatao Filohan’ny antenimierampirenena ny Praiminisitra Ntsay Christian ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT