Politique

PM sy ny tariny tany Ikongo Dokotera aorian’ny fahafatesana


  • Alarobia 31 Aogositra 2022

Nitarika delegasiona avy amin’ny fitondram-panjakana nitsidika any Ikongo ny Praiminisitra Ntsay Christian, rehefa tsy nandrenesam-peo nandritra ny 24 ora teo,

taorian’ny toe-javatra niseho tany Ikongo ny marainan’ny alatsinainy 29 aogositra teo. Hanao fampihavanana hamerenana ny fitoniana no anton-diany. Niaradia taminy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny minisitry ny Fitsarana, ny minisitry ny Atitany, ny minisitry ny Mponina, ary ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena Nihaona tamin’ireo fianakaviana mana-manjo sy ireo olona naratra tamin’ny fifandonana Andriamatoa Praiminisitra, ka naneho ny fiaraha-miory sy nampahery ireo izay mbola manaraka fitsaboana, ary izany dia niarahany tamin’ireo tompon’andraiki-paritra notarihin’ny Governoran’ny Faritra Fitovinany sy ny Ampanjaka ary ny Olobe any an-toerana. Nanolotra fisaorana ho an’ny Vondron'ny Tafika misahana ny fiarovana sy ny fampandrian-tany ny Praiminisitra, ary nanambara fa hisy fanadihadiana hataon’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Foloalindahy, hahafantarana ny zava-nisy marina nahatonga an’izao loza izao. Efa fandre matetika izany hoe: misokatra sy mandeha ny fanadihadiana izany. Tsy misy resaka kosa ny momba ny mety ho fandraisana fepetra amin’ireo mpitandro filaminana namono olona maro be. Sarotra ny toerana nisy azy ireo, saingy hery tsy mitovy no nifandramatra, ary tsy ny zandary rahateo no nokendren’ny vahoaka hovonoina. Ny alatsinainy, nandeha ny antso vonjy maika amin’ny handefasana angidim-by ho famonjena ireo olona amin’ny alalan’ny EVASAN (Evacuation Sanitaire) na hitondra mpitsabo matihanina satria betsaka no loakan’ny bala tany amin’ny faritry ny tratra, saingy ny fandefasana andian-tafika na “bataillon militaire” no toa nanaovana serasera. Omaly vao hoe: tonga ny angidim-by nitondra fanafody, hanaovana EVASAN, nitondra ireo iraka handamina,… Tsara marihina anefa, fa ny marainan’ny alatsinainy no niseho ny loza. Heverina fa isan’ny nampiakatra be ny isan’ny maty ny fahataran’ny famonjena.


Ny somary tsikaritra amin’ity toe-draharaha ity ihany koa, dia ny tsy fahatazanana ny Depioten’Ikongo Atoa Brunelle Razafitsiandraofa izay marihina fa tsy tany an-toerana tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga fa Ambatondrazaka. Tsy fantatra mazava na mbola any am-pandehanana izy na efa an-dàlana ho any Ikongo, na efa any an-toerana. Ity farany izay Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena avy amin’ny faritanin’ny Fianarantsoa fa tsy depiote tsotra akory. Tsy zakan’ny angidim-by ve izy ka tsy nentina kanefa fampihavanana no anton-dia any ?
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT