Politique

PM Ravelonarivo Jean Terena hiala fa tsy manaiky ?


  • Alarobia 09 Desambra 2015

Mikorontana ny andrimpanjakana. Azo itarafana izany ny nanakanan’ny filohan’ny Repoblika ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max tsy hihazo an’i Frantsa nefa efa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato miandry ny fiondranana amin’ny fiaramanidina ny alakamisy lasa iny.

Tokony hitarika delegasiona handray anjara amin’ny COP21 na ilay fihaonambe iraisam-pirenena hijerem-bahaolana mikasika ny fihafanan’ny tany, sy ny fiovaovan’ny toetrandro anefa izy. Mihamazava anefa ny ao ambadik’iny fanakanana iny.

Na miala na aongana ?

Araka ny loharanom-baovao dia eo ny tokony hifehezan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena ireo depiote eny Tsimbazaza, handany ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola taona 2016. Loharanom-baovao hafa indray anefa no milaza fa hanomana ny fanalana amin’ny toerany ny praiminisitra no nampijanonana azy. Resahana betsaka rahateo tato ho ato ny fisian’ireo depiote mikotrika fitsipaham-pitokisana ny governemanta Ravelonarivo izay toa mihamazava amin’izao fotoana. Raha ny resaka mandeha eny an-dalantsaran’i Tsimbazaza eny mantsy dia terena hametra-pialana ny praiminisitra lehiben’ny governemanta saingy tsy manaiky izany, koa dia an-dalana izao ny fanonganana azy amin’ny alalan’ny fitsipaham-pitokisana hataon’ny solombavambahoaka indray. Mbola ireo loharanom-baovao ireo no mahita fa io fanerena azy hametra-pialana io no nitarika ny tsy fahasalaman’ny praiminisitra Ravelonarivo ka tsy maintsy nivoahany tany ivelany, Frantsa, nitsabo tena ny faramparan’ny volana novambra lasa iny. Koa satria mandady ny trambo, miainga eny Tsimbazaza dia izay, hoy hatrany ireo loharanom-baovao samihafa, no nampilomay ny praiminisitra Ravelonarivo niverina an-tanindrazana ny alatsinainy 30 novambra 2015, na hita soritra ivelany ho tsy mbola miverina 100% amin’ny heriny aza ny tenany. Miandrandra ny fiavian’ny Mpamonjy ny kristianina amin’izao ankatoky ny krismasy izao, praiminisitra vaovao kosa no fanomezan’ny noely andrasan’ny eo amin’ny fitondrana raha izao fitsokan’ny rivotra politika izao no zohina.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT