Nihazo an’i Frantsa ny sabotsy alina teo, tamin’ny zotra Air Madagascar, ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ny jeneraly Ravelonarivo Jean mba hitsabo tena
.
Raha ny vaovao avy eny anivon’ny primatiora dia karazana fanaraha-maso ny toe-pahasalamany izay fanaony isaky ny fotoana voatondro ihany no anton’izao diany izao. Ny faran’ny herinandro teo mantsy dia niparitaka be ny vaovao teto an-drenivohitra fa voan’ny aretina paralizia ny praiminisitra. Nisy ihany koa ny nilaza fa tapaka lalandra ity mpiasam-panjakana ambony ity ka nalefa haingana any ampitan-dranomasina. Tonga tany ampototsofin’ny praiminisitra, hono, io tsaho mifangaro fanaratsiana sy ozona io ka nahatonga azy nandray fanapahan-kevitra ny hiteny tamin’ny fahitalavi-pirenena talohan’ny niaingany ny sabotsy lasa teo mba hahitan’ny Malagasy mpiray tanindrazana fa tsy misy takaitra izany ny praiminisitra no lasa any Frantsa, i Frantsa izay vao avy nitrangana asa fampihorohoroana mahatsiravina nahafatesana olona 129 be izao. Na izany aza dia anisan’ireo nanaraka azy any ny dokoterany izay nanao ny toromarika amin’ny tokony hanaovan’ny praiminisitra fizaham-pahasalamana manokana any ivelany, ankoatra ny vady andefimandriny sy ny mpitondra ny akanjony. Ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao no mitana vonjimaika ny andraikitry ny praiminisitra mandritra ny fotoana tsy maha eto an-toerana azy izao.
Fa ankoatra izay, araka ny efa nitaterana azy teto ny zoma teo, dia nalefa atsy amin’ny nosy La Réunion ny alakamisy lasa teo ny Sekretera jeneralin’ny governemanta Zafinandro Armand noho ny tsy fahasalamana nahazo azy ihany koa. Atoa Zafinandro Armand kosa indray dia voan’ny diabeta araka ny vaovao voaray avy eny Mahazoarivo ihany. Samy tsy mbola nisy nandrenesam-baovao moa hatramin’izao ny fivoaran’ny toe-pahasalaman’ireto tompon’andraikitra ambony roa eo anivon’ny governemanta ireto.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.