Politique

PM Ravelonarivo Jean Hosoloina ?


  • Talata 17 Novambra 2015

Hatreto, tsy nandrenesam-baovao ny momba ny toe-pahasalaman’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean izay nalefa tampoka hitsabo tena any Parisy ny alin’ny sabotsy 14 novambra teo.

 


Ratsy fitontona ihany ity fotoana tsy maha eto an-toerana ny praiminisitra ity satria amin’izao fotoana izao indrindra no mafampana ny toe-draharaha politika. Ny fandaniana ny tetibola taona 2016. Eo ihany koa ny raharaha momba ny tsy fandriampahalemana, indrindra ny momba ny fitakian’ireo andian’olona avy amin’ny foko Antandroy izay nitarina noho ny fanambaran’izy ireo ny amin’ny famonoan’ny miaramila manao “Opération Fahalemana” amin’ny tsy an-drariny ny havany. Ho an’ireo izay efa naniry hatry ny ela io toeran’ny praiminisitra io moa dia efa mandefa teny mampieritreritra hoe : sao tsy ho zakan’ny jeneraly Ravelonarivo Jean intsony ny fitantanana ny governemanta. Vao zato andro in-droa izay no lasa, ny fanindroany aza vao misasaka, dia iharan’ny tsy fahasalamana ny praiminisitra. Sao fotoana tokony hohararaotina hanoloana azy izao, hoy ireo mpanaraby. Tsy takona afenina mantsy ny fikasan’ny antoko HVM te haka io toeran’ny praiminisitra io. Etsy an-kilany, Atoa praiminisitra tsy vitan’ny hoe efa itambesaran’ny adidy mavesatra amin’ny asany fa mbola eo koa ny fanaraha-maso ny asan’ny orinasany izay tsy maintsy ataony izay mandreraka azy avokoa.

Efa nisy anarana manamboninahitra ambony zandary iray voatonontonona, iray volana teo ho eo izay, mety handimby ny toeran’ny jeneraly Ravelonarivo Jean eo amin’ny fitantanana ny governemanta. Ho hita eo ihany ny ho tohin’ny raharaha. Olona tompon’ny lakile ihany koa mantsy no nametraka ny praiminisitra teo amin’io toerana io. Ny alarobia 14 janoary 2015 izy no voatendry teo amin’io toeran’ny praiminisitra io.

Rabri


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT