nandika lalàna na Ravatomanga na iza na iza! »
Namaly ny resabe mikadika ny ahiahin’ny maro amin’ny maha olona akaiky ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga sy ny Fitondrana teo aloha Andry Rajoelina ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo omaly. « Efa napetraka tamin’ny kabary nataon’ny Filoham-panjakana ny famerenana ny tany tan-dalàna, ka mihatra amin’ny rehetra ny lalàna. Valiako mahitsy fa na iza na iza, na Ravatomanga, na Rakoto, na Rabe, rehefa tsy manaraka ny lalàna sy ny fepetran’ny fitantanana dia tsy maintsy henjehin’ny lalàna. Raha misy fanenjehan’ny lalàna avy any amin’ny tanàna hafa efa manana fiaraha-miasa amintsika, ohatra ny any Maurice dia manaja ny fepetra ifanarahana amin’ny fametrahana ny lalàna isika Malagasy », hoy ity Praiminisitra ity. Nanizingizina ny tenany, fa tsy misy fomba taloha hipetraka intsony eo. Fanavaozana na «refondation » no anarantsika, hoy izy, ka nangatahany ny fihavaozan’ny tsirairay ho an’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana, mba hiova eo amin’ny toe-tsaina sy ny famindra. Namafisiny fa tena nangataka ny fitsirihana, fanadihadiana, fanisana mazava sy marina mikasika ireo fananana sy fitaovam-panjakana ny Fanjakana, ka nanizingizinany fa tsy maintsy hita, ary tsy maintsy haverina. Homena 3 volana ireo tompon’andraikitra lehibe any amin’ny Minisitera hamerina an’io. Telo volana tsy mahazo mivoaka an’i Madagasikara raha tsy misy fangatahana tao amin’ny Primatiora. Raha vita 2 andro aza moa tsy olana raha tena madio. Nanamafy ny PM fa ny fomba taloha dia ao izay. « Tsy maintsy henjehina araka ny lalàna ireo fanetriben’ny Firenena sy manodinkodina volam-panjakana. Tsy maintsy mamerina izany izay rehetra ananana porofo na aiza na aiza toerana misy azy na eto an-toerana na any ivelany. Tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe : « politique de tolérance zero » ka tsy hijerena tavan’olona na ananana-kavana », hoy ny fanamafisan’ny Fiadidian’ny Primatiora. Betsaka ny asa sy fanovana andrasana amin'ny Fanjakana vaovao, fa isan'ny andrasana aloha ny fitsanganan'ny governemanta, ny vahaolana miainga amin'ny fitakiam-bahoaka toy ny olana fototra, famerenana ny fitokisan'ny Iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola, ny fametrahana lasitra sy fototra hivoahana amin'ny krizy, hametraka lasitra fanadiovana ny Firenena: fifidianana, toekarena,... Andrasana izany ny tohiny sy ny fanatanterahana ireo fanamby apetraky ny Filoham-panjakana niainga tamin’ny tolom-bahoaka hotanterahan’ny governemanta hotarihin’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo. Mila manaporofo amin’ny Malagasy ny asa sy ny vokatra, ary ny fanovana sy fiovana ity Praiminisitra ity, indrindra eo anatrehan’ny resabe mandeha momba azy. Ny ho fiasany sy ny fahombiazany na tsia no mety hanamarina na handiso ny ahiahy momba azy, ka dia miandry izany ny Malagasy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.