sy ny fitoniana ara-toekarena »
Fantatry ny governemanta tsara fa miandry vokatra azo tsapain-tanana ny vahoaka Malagasy, ka izany no mahamaika amin’izao amin’izao raha ny resaky ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Atoa Rajaonarivelo Herintsalama omaly tao anatin’ny fanontaniana ilam-baliny nataon’ny depiote omaly teny Tsimbazaza. Fanalefahana ny vesatry ny fiainana andavanandro, ka nampiharana ny fepetra fanalefahana ny fiakatry ny vidim-piainana, ary natsangana ny fanohanana manokana ireo asa madinika mampidi-bola izay loharanon-karena lehibe ho an’ny tokantrano, raha ny filazan’ny Praiminisitra. Valiny mivantana sy tompon’andraikitra miantraika amin’ny vahoaka eny ifotony. Tsy mijanona amin’ny fampanantenana ny fanavaozana fa miseho amin’ny alalan’ny fiovana tsikelikely nefa hita maso sy tsapan’ny olom-pirenena. Ny asa rehetra dia efa voalamina amin’ny alalan’ny Politika ankampoben’ny Fanjakana sy ny drafitra hanatanterahana azy na PGE-PMO, efa misy rafitra fanaraha-maso mazava sy mangaraharaha, manamafy ny fitokisana sy tamberin’andraikitra. Tsy miafina ny halehiben’ny fanamby, olana mila vahana, mitaky faharetana sy fandraisan’andraikitra iombonana. Ho an’ny 30 andro ho avy, lahararam-pahamehana amin’ny asan’ny governemanta ny fifantohana amin’ireo olana fototra iankinan’ny fiainam-bahoaka sy ny fitoniana nasionaly dia ny fanamafisana ny famatsiana angovo sy rano, fanorenana sy fanamafisana ny Fanjakana tan-dalàna, fiarovana ara-tsosialy ho an’ireo marefo, fitoniana ara-toekarena maharitra hiverenan’ny fahatokisana eo amin’ny mpitantana sy ny sehatra tsy miankina ary ny mpiara-miobon’antoka. Notsipihin’ny Praiminisitra anefa fa tsy asa ataon’ny governemanta irery ny fanavaozana fa tetikasa nasionaly mitaky fiarahamientana nasionaly avy amin’ny andrim-panjakana rehetra. Vonona hihaino sy hifanakalo hevitra am-pahatsorana amin’ireo solombavambahoaka mba hananana Madagasikara marin-toerana sy matanjaka indray ary ho an’ny taranaka ankehitriny sy ny ho avo. Efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ireo mpandraharaha mpanondran’entana any ivelany , izay nisedra olana tao anatin’ny taona maro noho ny fifehezan’olo-tokana .Nilaza ihany koa ny praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama fa tsy maintsy haverina ny fitokisan’ny vahoaka an’ireo rafi-pitsarana sy ireo rafitra miady amin’ny kolikoly , izay tsy ekena intsony ny fialokalofan’ny tsy matimanota eto amin’ny firenena ary tsy misy ambony lalàna eto. Nanao ezaka ara-diplomatika isika tamin’ny fanamafisana ny fifandraisana tamin’ireo mpiara miombon’antoka any ivelany. Efa hita ny vokatra amin’ny fifandraisana amin’ny vondrona Eropeana sy ny banky iraisam-pirenena ary efa miverina ihany koa ny fifandraisana amin’ireo sampandraharaha eo anivon’ny firenena mikambana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.