Efa tontosa tamin’ny 27 janoary 2018 lasa teo ny famindram-pahefam-pitantanana ny PGSM na Plate Forme des Grands Sakalava de Madagascar teo amin’ny filoha teo aloha,
Atoa Fidèle Manjary, sy ny filoha vaovao, Atoa Robson, ka dia manao izany fahampahafantarana izany indray ity fikambanana ity mba hisorohana an’izay mety ho mpisandoka. Hamafisina etoana koa, hoy ny birao, fa fikambanana-drazana tsy manohana na manohitra antoko politika na iza na iza ny PGSM fa manohana kosa izay miasa ho amin’ny fampandrosoana ny firenena Malagasy sy fanarenana azy amin’izao zava-manjo azy izao. Laharampahamehana ho an’ny PGSM ny hahatonga ny Malagasy hifankatia sy hiray hina ary hamerina ny hasin’ny maha-Malagasy. Madagasikara milamina sady mandry fahalemana ka tsy azo amidy sy atakalo ary tsy hanombinana hoan’ny firenen-kafa no tarigetra ho tratrarina. Madagasikara mandroso sy modely aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.