Pimaso amin’ny mpitandro ny filaminana

Raikitra ny fankasitrahana an’ireo be galona…


  • Zoma 24 Janoary 2025

Niradraraka ny fankasitrahana ho an’ireo tompon’andraikitra ambony sasantsasany eo anivon’ny

zandarimariam-pirenena. Nolanian'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny alin’ny alakamisy 22 janoary teo mantsy ny fanomezana "bonification d'ancienneté de port de grade" ho an'ireo Manamboninahitra ambony sy Manamboninahitra lefitra iray eo anivon'ny zandarimariam-pirenena ka tafiditra tao anatin’io ny LCL RAOILIJON Tojomalala kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena, fantatra tamin’ny fitarihana hetsika nentina nandravana ny fihetsiketseham-bahoaka samihafa teto Antananarivo sy ny manodidina; CEN RABARIJAONA Nantenaina Fabrice; CEN MAHAVIHASINA Daudet; CNE RAKOTONINDRINA Rijanantenaina Alain. Tahaka izany ihany koa ny COL RAVELOMANANA Valona Tahina Lehiben’ny Sampana misahana ny fikarohana heloka bevava etsy Fiadanana; CNE RANDRIANASOLO Joachin Joseph Ferdinand. Nahazo an’izay ihany koa ny LCL FANEVARISON Onimihary Ralaiavy izay nalaza tamin’ny resaka hetsika fampandrian-tany, nitarika ny iraka tany Ankazobe sy Anjozorobe, isan’ny nitarika ny fifehezana ny hetsika politika teto Antananarivo ny faramparan’ny taona 2023, nafindra niandraika ny Groupement any Menabe ny taona 2024,… Nahazo an’io « bonification d’ancienneté de port de grade » ihany koa ny CNE RAMAROSON Zo Andriamalala. Zava-dehibe ny fankasitrahana, ary fanao izany ho an’ireo mendrika hanaovana an’izany. Somary mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao ihany anefa hoe : Satria avy nomena volabe ireo mpiasan’ny fadin-tseranana dia mba omena ny anjarany ihany koa ny mpitandro filaminana ? Fifandrifian-javatra ve ny nanaovana izany ao anatin’izao vanim-potoana somary mampamivay ny politika izao sa fanohizana ny pimaso an’ireo manamboninahitra ? Tsapa sy tsikaritra rahateo ny famondronana sy fanomezana toromarika ireo rantsana samihafa eo anivon’ny mpitandro ny filaminana noho ny krizy sy ambana politika, ny famoriana sy famondronana ireo tompon’andraikitra ara-pibaikoana samihafa avy any amin’ny Faritra, ny toromarika amin’ny fifehezana politika, ny fanetsehana hifehy ny toe-draharaha toy ny tao Toamasina, Betroka, ny kabary hafahafa nataona manamboninahitra efa misorotro rono,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT