Politique

Pimaso amin’ny mpamatsy vola Hiara-hiasa ny Minisiteran’ny vola sy ny Bianco


  • Alarobia 28 Septambra 2022

Notanterahina androany 27 septambra 2022 teny amin’ny Trano Fivorian'ny Plan Anosy ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny Politika Anatiny Iadiana amin'ny Kolikoly ho an'ny Ministeran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF).

 

Nohamafisina tamin’ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Ministera sy ny Bianco izany. Maharitra telo (03) taona izao fifanaraham-piaraha-miasa izao, ka hifarana ny taona 2025 ary handalo tombana alohan'ny hanavaozana izany indray. Nanambara ny Tale Jeneralin’ny BIANCO Laza ANDRIANIRINA fa ady iaraha-manana ny ady amin’ny Kolikoly ary midika fahavononana sy fandraisana andraikitra feno izao hetsika ataon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy Fitananam-bola izao. “Fitarihana faka tahaka izao ataonao izao” hoy izy nitodika tamin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Nilaza kosa ny Minisitra RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo, far aha tsy atao toy ny finoana arahana as any famongorana ny kolikoly dia ho zava-poana ihany. Nanazava moa ity Minisitra ity, fa ao anatin’ny fanadihadiana amin’izao hoe ohatrinona marina ny volam-panjakana very satria tena manimba ny fitantanam-bola ny kolikoly, ka izay no antony hanaovana ny fifanarahana amin’ny Bianco. Mifamatotra izahay satria manokatra varavarana amin’ny Bianco ahafahan’izy ireo mitsirika ny zava-misy eo amin’ny Minisitera, ahafahany mahazo ihany koa ny antontan-taratasy sy ny antontan’isa izay mety ilainy amin’ny fanatanterahana ny asany. Efa ireo Minisitera rehetra no nanao fifanarahana tamin’I Bianco. Tamin’ny herinandro, nisy olona tratra nanambaka ireo beantitra, naka vola tamin’ny anaran’ny Minisitera. Ny sampan-draharahan’ny hetra, haba, fadin-tseranana,… no isan’ny ahitana kolikoly betsaka, mampihena ny vola miditra amin’ny Fanjakana. Tsy vaovao intsony ny resaka kolikoly eto amintsika, mampiteny ny moana, ary matetika tsy voakitika ireo tena atidoha na “trondro vaventy”. Isan’ny mahakivy ny mpamatsy sy mpampiasa vola ireny, ka heverina fa isan’ny pimaso ataon’ny Fanjakana ihany koa itony fihetsika miseho itony.
Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT