Politique

Pierrot Rajaonarivelo Miankina amin’ny fahombiazan’ny dian’ny Troika eto ny tohiny


  • Alakamisy 13 Oktobra 2011

Tafaverina an-tanindrazana omaly ny delegasion’ny vondrona politika valo, nanao sonia ny tondrozotra mpivory tao Ambohitsorohitra, izay nangataka fihaonana tamin’ny iraky ny Troika tany Afrika Atsimo ary nanitatra dia tany Addis Abeba.

 Nihaona tamin’ny filohan’ny vaomieran’ny Vondrona Afrikanina sy ny filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahaleman’io vondrona io izy ireo, nampahafantatra ny fipetraky ny raharaha eto Madagasikara taorian’ny nahavitan’ny sonia ny sori-dalana, raha ny tatitra nataon’izy ireo teny ampahatongavana teny Ivato omaly tolakandro. Nanambara mazava ny filohan’ny MDM, Pierrot Rajaonarivelo iray tamin’ireo delegasiona tany, fa miankina amin’ny fahombiazan’ny dian’ny Troika eto ny tohiny, anisan’izany hahafahan’ny Vondrona Afrikanina hanentana ny iraisam-pirenena hanampy amin’ny fampiharana ny tondrozotra mankany amin’ny fikarakarana fifidianana hidirana amin’ny Repoblika faha-4. Nanjakan’ireto delegasion’ny V8 ireto tanteraka ny efitra fandraisam-bahiny manankaja tao Ivato omaly. Efa nomanina handraisana azy ireo manokana, sy nanatanterahana tafa tamin’ny mpanao gazety rahateo ny toerana tao. Niray sidina tamin’izy ireo ny ampahany voalohany amin’ny iraky ny Troika hanohy ny fanelanelanana eto, saingy tany amin’ny fahatogavan’ny mpandeha rehetra avy amin’ny sidina iraisam-pirenena izy ireo no nivantana.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT