Politique

Pierrot Rajaonarivelo Iantefan’ny eritreritry ny sasany


  • Alarobia 19 Oktobra 2011

Efa anatin’ny fijerena sy fanolorana izay olona hipetraka eo amin’ny toeran’ny praiminisitra ireo mpanao politika isanisany ankehitriny.

 Anisan’ny nandrasan’ny maro fatratra ny faharavan’iny governemanta faharoan’i Camille Vital iny. Niely ny feo teny amin’ny ambasadin’i Afrika Atsimo teny fa tsy tafaverina amin’io toerana io intsony ity jeneraly ity, noho izy efa niara-nitakosona tamin’ny FAT, no sady mitovy fironana amin’i Andry Rajoelina ihany koa. Mandeha ankehitriny ny resaka fa olona tokony hananan’ny Firenena Mikambana fahatokisana no ho eo amin’io toerana io. Haingana ny fandinihana sy ny eritreritry ny sasany, na olon-tsotra na mpanao politika. Avy hatrany mantsy dia nandehandeha ny anaran’Atoa Pierrot Rajaonarivelo.

Tao ireo nilaza fa mbola atokisan’ny Firenena Mikambana ny tenany, ary azo inoana izany satria efa teo amin’io toerana io izy tamin’ny andron’ny amiraly Didier Ratsiraka. Hananany, hoy ireo mpanao politika ny traikefa ary fenony ihany koa ny fepetra rehetra takian’ny sori-dalana. Samy efa manao ny kajikajiny, araka izany, ny mpiantsehatra politika, ary misy ny milaza fa nanolotra ny anaran’ity filohan’ny antoko MDM ary minisi-panjakana misahana ny toekarena sy ny indostria tao amin’ny governemanta Vital ity. Fanontaniana mipetraka anefa rahatoa ka mikendry izany toerana praiminisitra izany tokoa ny tenany, dia ny hoe tsy ho kandida filoham-pirenena ve izany izy ?

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT