Raha nisy ny mpanao politika tena afa-baraka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena dia lohalaharana amin’izany Atoa Pierrot Rajaonarivelo, izay tsy tafiditra ao anatin’ireo kandida 7 nahazo vato betsaka indrindra akory.
Raha ny traikefa eo amin’ny fanaovana politika anefa dia azo ambara fa anisan’ireo tena manana izany izy. Efa avy masoivohon’i Madagasikara tany Etazonia, praiminisitra lefitra nisahana ny tetibola, sekretera nasionalin’ny Arema, izay sokajiana ho anisan’ireo antoko lehibe eto Madagasikara, mbola tafiditra tao anatin’ny tetezamita izy ary nitazona toerana tena saropady dia ny ministeran’ny raharaham-bahiny izany, rehefa avy praiminisitra lefitra nisahana ny toekarena sy indostria. Tsy olonolom-poana i Pierrot Rajaonarivelo fa anisan’ireo Malagasy manampahaizana sy be mpahafantatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nanomboka tamin’ny 2002 dia noheverin’ny mpanara-baovao politika fa anisan’ireo mety ho lasa filoham-pirenena izy. Mazava anefa ny resaka izao fa tsy ho filoha intsony ingahy Pierrot Rajaonarivelo. Solombavambahoaka no toerana olomboafidy mety aminy fa tsy filoham-pirenena mihitsy, ary mahakely finoana ihany ny hahatafidirany anatin’izay governemanta hijoro manaraka eo, satria tena maivana be ny lanjany ara-politika. Diso kajy politika ny fahitan’ny maro an’i Tonton Sôla. Anisan’ny tena nanimba azy, hoy ireo mpanara-baovao politika ny nifampikasokasohany tamin’ny mpitondra FAT tamin’ny 2009-2010. Ratsy fototra ihany koa ny vovonana MDM natsangany, satria izy sady tsy nahatarika tanteraka ny Arema, tsy dia nanaitra firy ny ankolafy Rajoelina ary ratsy fifandraisana tamin’ny ankolafy Ravalomanana no sady tsy dia naharesy lahatra firy ny olona. Vokany, tsy ambony tsy ambany Atoa Pierrot Rajaonarivelo, ary tsy tafiarin-doha mihitsy. Mety ho izay no vita ny aminy ara-politika !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.