Pierre Houlder Ramaholimasy

« Misy fotoana hinginana, misy fotoana hitenenana »


  • Alarobia 16 Jolay 2025

Mpamakafaka ara-politika no nahafantarana ahy ary tsy mbola niova tamin’izany aho,

hoy ny ministry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany teo aloha, Pierre Houlder Ramaholimasy, nipoitra indray amin’ny maha mpamakafaka ara-politika azy, izay asany nialohan’izay naha minisitra azy izay. Tsy mbola niova tamin’ireo andraikitra nosahaniko teto amin’ny firenena ny tenako, hoy izy, indrindra ny fakamafakana ara-politika. Misy ny fotoana hanginana ary misy hitenenana, hitondràna fakamafakana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Isan’ny niara-dalana sy nanolontsaina ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, aho tamin’ny fomba fitantanana ny firenena, hoy hatrany ny fanazavàny. Ireo andraikitra nosahaniko ireo no mbola manosika ahy hitondra ny hevitro manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena, izay mbola tsy fotoanany izao, hoy ihany ity minisitra teo aloha ity, izay nanamafy fa nisafidy tsy haneho hevitra aloha.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT