Pety Rakotoniaina

> Mihemotra ny demokrasia


  • Sabotsy 09 Novambra 2013

Nambaran’Atoa Pety Rakotoniaina izay filohan’ny APRN nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Motel Anosy omaly io teny io.

Araka ny filazany dia ny fahafahana haneho hevitra an-kalalahana na amin’ireo haino aman-jery na eny an-kalamanjana no anisan’ireo antony nahatonga ny fiampitana amin’ity tetezamita ity. Tsapa anefa, hoy ity filohan’ny delegasiona manokan’i Fianarantsoa ity, fa tsy tafita amin’izany isika hatreto raha izao fanapenam-bava ankolaka amin’izy ireo izao no jerena. Ny alakamisy alina mantsy vao fantatr’ireo mpikarakara fa tsy nahazo alalana hanao hetsika tetsy Ankorondrano izy ireo ary nambaran’ny teo anivon’ny prefektora fa tsy fahampian’ny taratasy sasantsasany tao amin’ilay fangatahana alalana no anton’izany. Raha toa ka tena izany tokoa no marina, hoy ingahy PDS dia manaiky ny hanara-dalàna izy ireo ka hamerina hanao fangatahana indray rehefa mikasa hanao hetsika, raha sanatria ka fomba iray entina hanapenam-bava kosa izao famezivezena azy ireo izao dia milaza izy ireo fa vonona hisedra ny mafy ho amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Heverin’izy ireo fa tokony havela haneho hevitra na ireo izay nanohana ny fanatanterahana ny fifidianana na ireo tsy mankasitraka ny fanatanterahana izany fa tsy hosokajiana ho mpanakorontana. Araka ny fandinihan’izy ireo mantsy dia iretsy voalohany no tena mpanakorontana satria hatreto toa tsy azo hihodivirana ny fisian’ny fifandonana eo amin’ireo mpifanandrina.

 

Nofy R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT