Politique

PEM hanaovana seho goavana Ho poakaty tahaka ny IEM indray…


  • Alakamisy 27 Oktobra 2022

Hampahafantarina amin’ny fomba ofisialy manomboka rahampitso 28-30 oktobra 2022 ny PEM (Plan Emergence Madagascar).

Efatra taona aty aorian’ny nahazoana fahefana vao mikofokofoka ny Fanjakana Rajoelina hampanantena izao zavatra maro toy ny efa natao tamin’ny propagandy ihany. Karazana efa fiaingana vaovaon’ny propagandy sy ny fampanantenana ho an’ny taona 2023 hisian’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka indray aza io. Ny zavatra tahaka ireny mantsy, matetika progarama ao anatin’ny fe-potoana iasana iray, ary raha ny ampahana antontan-kevitra efa niparitaka aza dia drafitra ao anatin’ny 10 taona na “plan décennal”. Mino sy manantena 100% ve izany I Andry Rajoelina sy ny ekipany fa mbola ho azon’izy ireo ny fandresena amin’ny taona 2023? Niantso ny banky Rothschild hiara-hitantanana, voalaza fa mampiasa sy manarama cabinet vahiny hanamboatra ny fifandraisana any ivelany indrindra fa amin’ny Frantsay ary eo ihany koa ny fanatsarana sary eo anatrehan’ny vahiny ka hatrany amin’ny 700 000 dolara ny sora-bola voatonona tamin’io,…

MANANTENA AN’IZA?
Raha mampitaha amin’ny Fanjakana teo aloha, tany amin’ny taona 2014 no tonga teo amin’ny fitondrana, tany amin’ny desambra 2016 no nisy fikaonan-doha niaraka tamin’ny mpamatsy vola na ny “conference des bailleurs” taorian’ny fandraisantsika ny Fivoriamben’ny Frankofonia. Nahazo fampanantenana famatsiam-bola hatrany amin’ny 10,6 miliara dolara ny Fanjakana Rajaonarimampianina, izay heverina fa tsy tena tafavoaka ny baolina noho ny antony maro: vaky ny raharaha Claudine Razaimamonjy izay heverina fa nanaovana pi-maso ny vahiny fa tena miady amin’ny kolikoly ka tsy nanisy henamaso na tamin’iza na taminiza. Ekena fa nisy ny karazana “scandales” na hadalana sy afera nataon’ny mpitondra na olon’ny fitondrana sasany, fa mbola resin’ity Fitondrana ankehitriny ity 5-0 raha ampitahaina amin’ny baolina kitra. Voambolana tsy miteny amin’izao fitondrana izao ny Fanjakana tsara tantana na “bonne gouvernance”, mangarahara, ady amin’ny kolikoly,… izay tena takian’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika. Atoa Hery Rajaoanarimampianina aza manam-pahaizana ara-toekarena, mpampianatra amina oniversite maro maneran-tany ikoizana, nahavita namerina ny fifandraisana tamin’ny mpiara-mpamatsy vola izay tapaka taorian’ny 2009 mbola ireny ny nahazo azy ka atao mahagaga ve ity fitondrana ity? Mbola misy azo antenaina aminy? Iza no antenaina hamatsy ilay PEM sa ireo “investisseurs sac à dos”? Efa voarafitra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023 ve ny fanatanterahana ilay PEM sa resaka ambony latabatra sy kisehoseho ivelany fotsiny tahaka ireo maro hafa? Ny sary sy ny serasera indray no hampitenenina, fa tonga maro ny mpiara-miombon’antoka, vonona ny mpamatsy vola,… Ny efa natao tamin’ny IEM ihany no hiverina, saingy zavatra poakaty no betsaka. Raha nisy ny fitokisan’ny mpamatsy sy ny mpampiasa vola na nisy ny vola, efa notokanana ny Tanamasoandro, fly over, pôle urbain, teleferika.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT