Politique

PDS Toamasina – Mpiasa mitokona Mbola mihenjan-droa ny tady


  • Alakamisy 03 Novambra 2011

«Fihantsiana ho anay sy miendrika fampitahorana ary fandemen-tsaina ny mpiasa, no fahitanay iny naoty navoakan´ny PDS iny».

 Izay no nambaran´ireo mpiasa mitokona, mbola mameno ny tokotanin´ny Voirie Toamasina. Nohamafisin´izy ireo hatrany fa «tsy misy miala eto ny mpiasa rehetra raha tsy efa miala na mametra-pialana amin´ny maha PDS azy ingahy Rakotovao Mariot. Izy rahateo efa naaton´ny mpanolotsaina tamin’ny asany. Nohamafisina nanomboka ny alarobia ny tolona, ka ireo sampandraharaha nanao ´service minimum´ dia averina mitokona indray», fa «ireo misahana ny fisoratam-panambadiana sy ny fahafatesana no sisa miasa izao», hoy hatrany ireto mpiasa mitokona ireto.

Tena mbola mihenjan-droa izany ny tady eo amin´ny PDS-n’i Toamasina sy ireo mpiasa mitokona. Milaza ny handray fepetra ny PDS Rakotovao Mariot raha toa ka tsy miverina miasa ireo mpiasa mitokona ireto, ary tsy mamerina ny fanahidy any amin´izy ireo hanokafana ny birao fiasana. Ny manaitra fotsiny amin´ilay naoty navoaka sy nosoniavin´Atoa Rakotovao Mariot, dia noraisina nandritra ny fotoana tsy fiasana dia ny 29 oktobra. Ny endriny ihany koa na taratasim-panjakana amin´ny maha vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny Kaominina aza dia sady tsy ahitana ny marika famantarana ny repoblikan´i Madagasikara no tsy ahitana ny marika manokan´ny Kaominina ihany koa, fa natao taratasy tsotra fotsiny. Nandefasana izany avokoa anefa na ny lehiben´ny Faritra na ny Distrika. Nandefasana dika mitovy amin’ilay naoty koa ny teo anivon´ny fitsarana momba ny asa, ny ady amin´ny fanjakana, ny talen´ny polisy Toamasina ary ny lehiben´ny fampanoavana.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT