Politique

PDS Rakotovao Mariot Florent Mamaky ady amin’ny MTS sy ny TIM


  • Talata 04 Oktobra 2011

Fanirian’ny PDS ny Kaominin’i Toamasina renivohitra, araka ny fanambarana nataony sy efa nalefany teo anivon’ny fitondrana tetezamita, ny tokony hanafoanana ny Filankevitra monisipalin’ny Kaominin’i Toamasina I.

 Ampangain’ny PDS Rakotovao Mariot Florent mpaka tombontsoa fotsiny fa tsy miasa ary zatra mahazo tambin-karama izay tsy voalazan’ny lalàna manan-kery amin’ny fitantanana ny Kaominina izy ireo. Ho an’ny mpanara-baovao politika ao Toamasina, dia famakiana ady amin’ny TIM sy ny MTS izao ataon’ny PDS Rakotovao Mariot Florent izao. Ireo antoko roa ireo mantsy no mameno ny mpanolotsain’ny Kaominina ao Toamasina. Raha ny fanazavana azo, ilay fanokafana fanadihadiana nataon’ny mpanolotsaina mikasika ny kaontin’ny Kaominina, taorian’ny fitokonan’ny mpiasa tsy nahazo karama sy ny nahenoana fa 20.000 Ar isan’andro no vola hividianana solika ho an’ny fiara iray mpanary fako ao Toamasina, hany ka mivangongo ny fako, maloto ny tanàna, mifanaretsaka eny an-tsena ny voalavo. Efa nitaraina tamin’izao fanadihadiana anataon’ny Filankevitry ny Kaominina izao teo anivon’ny Distrika moa ny PDS fa miditra amin’ny tsy tokony hidirany izy ireo, nefa toa tsy hita ny tohin’ny raharaha satria mazava ny voalazan’ny “Fascicule IV” mifehy ny fitsinjaram-pahefana tahaka ny Kaominina, fa manana zo manara-maso ny fitantanana ny Kaominina ny Filankevitra monisipaly amin’ny maha solontenam-bahoaka azy eo amin’ny fampandehanana sy fitantanana ny volam-bahoaka. Efa vonona ny tatitry ny Filankevitra, izay halefa lavitra kokoa araka ny nambaran’ny filohan’ny mpanolotsaina sy ny komity natsangana nanao ny fanaraha-maso. Milaza ny hamoaka ny valin’ny fanadihadiana ny mpanolotsaina amin’ity herinandro ity, ka ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT