PDS eto Antananarivo

«Mila asa tena farany goavana amin’iny Andravoahangy sy ny manodidina iny»


  • Zoma 06 Desambra 2024

Averiko ihany, hoy ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo, Alexandre Georget,

fa misolo toerana amin’ny fitantanana ny tanàna ny tenako mandra-pahatongan’izay ben’ny tanàna vaovao lanim-bahoaka eo. Anatin’ny stratejian’ny kaominina, hoy izy, amin’izao fotoana izao ny fanamboarana ny lalana. Misy sampana maro manao an’io. Manao ireny zotra lehibe na «grand axe» ireny ny Colas. Manao ny Magic. Herinandro taorian’ny nandraisako ny fitantanana ny kaominina ihany koa dia efa nidina ifotony izahay nijery hoe manao ahoana ny lalana miainga ambanidia miakatra an’Andohalo, ohatra, mankamin’iny nahafaty ny Kolonely Ratsimandrava iny. Mankany amin’ny mihazo an’Ambanidia. Avy eo amin’ny Mascotte indray mihazo any Bel’air. Avy eo amin’ny fiolanana mankàny amin’ny hopitaly Girard et Robic iny izao efa vitanay mandra-pahatonga aty Ampasampito. Misy mila iverenana kely any Ampasampito any. Rahariva (TTF: Omaly hariva) izao ho atao ny lalana miainga etsy Pochard mandalo ny magazay Eden ary mivoaka any amin’ny Villa Pradon mankany Antanimena iny. Isan’andro izany manao an’izay fa ny tena olana izany dia ny lalana, ny lavaka amin’ny lalana. Izay no tena ezahina ho tampenana. Ny mikasika ny eny Andravoahangy dia tena manahirana dia manahirana satria feno fanorenana tsy ara-dalàna amin’iny. Tranobe na «immeuble» mihitsy ny sasany no tsy ara-dalàna ny fomba nanaovana azy nefa ilay trano efa mijoro dia misy fantsona tokony handehanan’ny rano voatsindriny ao dia mirotsaka ao daholo ny rano tokony ho any amin’ny lakan-drano. Tsy vitan’ny mpisolo toerana intsony izay fa ny ben’ny tanàna hamindrako fahefana no tokony hijery an’izay. Mila asa goavana na «grand travaux» mihitsy ny fandaminana an’io. Tsy vita anaty 3 na 4 volana izany. Na izany aza dia manao ezaka misikotra sy manadio izay fantsona azo diovina izahay saingy raha Andravoahangy sy Besarety iny aloha, indrindra, no resaka dia tsy tena mbola vahaolana izay. Jereo fa tsentsina daholo izao eo amin’ny anaovan-drizareo asa fanamboarana amin’iny toerana iny! Misy trano lehibe daholo amin’ny amoron-dalana iny saingy tsy hitsikera ny nataon’ny tany aloha moa isika fa ny tiana ambara fotsiny dia hoe mila asa tena farany goavana amin’iny Andravoahangy sy ny manodidina iny fa tsy vitan’ny mpisolo toerana io, hoy hatrany ny PDS eto Antananarivo.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT